Manao ranolava ny fanambarana manohitra ny fanilihana ny kandida Lalao Ravalomanana tsy handray anjara tamin’ny fifidianana. Sakana ho an’ny demokrasia izao, hoy ny «Terre de progrčs» tamin’ny alalan-dRakotomahanina Manou, filohany, izay mandalo eto an-tanindrazana noho ny toe-draharaham-pirenena.
Ny kandidà Lalao Ravalomanana dia misolo ary mitondra ny ampahany be indrindra amin’ny mpifidy, hoy Rakotomahanina Manou. Ity farany izay nanipika mazava fa manohitra ny fitsabatsabahan’ny iraisam-pirenena amin’ny raharahan’ny Malagasy. Nambarany koa fa nivaona tamin’ny asa maha mpanelanelana azy ny SADC ary ny CES II dia vao mainka mampizarazara ny vahoaka malagasy efa tsy mitovy hevitra, satria fanakorontanana no nentiny. Mino anefa izahay fa hanoro ny lalana tokony hizorana ny filoha Marc Ravalomanana, hoy Rakotomahanina Manou. Nefa na inona na inona fanapahan-keviny, hoy ity farany, dia aoka samy ho mailo satria raha izao no mitohy dia hiroso amin’ny fifidianana feno halatra ny firenena. Marina fa tsy tonga lafatra ny tondrozotra, hoy ny mpanorina ny fikambanana «Terre de progrès», iny aza tsy tanteraka. Raha tsy anefa nisy ny fanoherana sy ny fandresen-dahatra natao dia hisy hatrany ny hanararaotra, ka mitaky izahay mba ho feno ny fepetra hirosoana amin’ny fifidianana na teknika io na politika fa tsy atao tandrametaka toy izao.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.