Vehivavy iray manodidina ny 50 taona antsoina hoe NH no nosamborina teny Mahamasina ny alahady 29 janoary tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, nandritra ny fotoam-pivavahana natrehin’ny Sekreteram-panjakan’i Vatican Pietro Parolin. Fikotrehana asa fampihorohoroana no voalaza fa antony, ka nosamborin’ny CIRGN Analamanga izy.
Karatra SIM miisa 5 nambara ho mampiahiahy no tratra teny aminy, raha ny vaovao azo. Voalaza fa olona akaiky an’i Kolonely Lylison sy Alain Ramaroson io vehivavy io, ary notondroina ho mpitsikilo. Enjehin’ny fitondrana fatratra i Kolonely Lylison, ary mbola any am-ponja i Alain Ramaroson amin’izao fotoana. Tsy hay izay tena ao ambadik’ilay fisamborana ary tsy mbola voaporofo aloha hoe mikatsaka asa fampihorohoroana marina ve io vehivavy io ? Mahagaga ihany mantsy raha karatra SIM no hahafahana manasokajy sy manenjika olona ho mpampihorohoro sy mikatsaka ra mandriaka. Na inona mety fahamarinana na fahadisoan’ny vaovao fa nikatsaka asa fampihorohoroana io vehivavy io, dia azo ambara ho misy ambadika politika ny raharaha, ary tsy maintsy hiampy indray ny fanenjehana an-dry kolonely Lylison, izay mbola miery. Tsy mbola afa-bela any am-ponja ihany koa i Alain Ramaroson, ary ahiana ho tsy hivoaka mora foana. Matahotra valifaty politika noho ny fampijaliana sy fanenjehana ve ny fanjakana HVM, ka mamorona atsanga tsy aman’orana ? Anisan’ny efa re mantsy ny resaka fanonganam-panjakana nentina nandotoana ireo tsy mitovy hevitra tamin’ny faramparan’ny taona, saingy fantatra avy eo fa ny olon’ny fitondrana ihany no nasaina nivoy ilay resaka. Nalaza ratsy ihany koa anefa ireto farany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.