Politique

Teraka ny VHF-TV Hanangana tetezamita vaovao


  • Zoma 18 Mey 2012

Niseho ampahibemaso rehefa ela nikononkononana ny Vondrona-Hetsika- Fahamarinana-Tetezamita Vaovao (VHF-TV).

 Nanao fanambarana tao amin’ny La Rotonde Besarety izy ireo ny alarobia 16 mey teo. Nitondra teny sady mpandritra ny asan’ity vondron-kery ity, ny pastera Ramamonjisoa Philibert, mpikambana ao amin’ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana (HMF). Mahatsapa izy ireo fa latsaka an-kady tanteraka ny firenena. Izay làlam-boasoritra mba nahitana hirika kely hivoahana amin’ny krizy dia hita fa tampina avokoa ka fifandirana tsy misy farany no mitranga ankehitriny. Resy lahatra anefa izy ireo fa azo atao tsara ny mivoaka ao anatin’izao krizy izao, faran’izay haingana. Tsy fizaran-tseza anefa no hahavitana izany na fifanarahana politika hanilihana ny vahoaka tsotra izao ka hisandohan’olom-bitsy ny fahefany. Efa hita miharihary koa fa tsy ny ezaka hamaha olana mitsitokotoko sy mitoka-monina ary mitampify amin’ny fitakiana izay hita fa rariny tokony ho an’ny tena fotsiny no nitondra vahaolana.

Voafetra ny fahombiazan’ny fitakiana sy ezaka hijoro tamin’ny fahamarinana manoloana ny fizirizirina tsy hihaino akory ny hetahetantsika. Iaraha-mahita, hoy izy ireo, fa tsy vitsy no efa nilavo lefona na tonga kely hery ka tsy afa-manoatra fa voatery manaiky tsy fidiny na dia izay hita fa tena tsy rariny aza. Hita miharihary koa fa tsy nahavaha olana ny tondrozotra nentin’ny vahiny fa mainka aza nanamafy ny fifandirana ka nahalatsaka antsika amin’izao kizo lalina diavintsika izao. Noho izany antony rehetra izany no niantsoan’ny HMF ireo rehetra maniry hijoro sy hiaina amin’ny fahamarinana ary valin’izany antso izany no nijoroan’ny : Vondrona-Hetsika- Fahamarinana-Tetezamita Vaovao, izay vondron-kery tsy mitondra loko politika, miara-dia mba hisiana fifandanjan-kery vaovao, ahazoa-mifandresy lahatra mba hiara-midinika sy hametraka fototra vaovao am-pahamarinana mba tsy hiverenan’ny krizy intsony, tarihin’ny HMF.

Fanambaran-kery sy fiaraha-mihetsiky ny tia fahamarinana ho an’ny fireneny izy ity, iombonan’izay rehetra resy lahatra fa latsaka an-katerena ny firenena, ka mila faranana haingana tsy misy hatak’andro ny krizy. Miasa hametraka ny fahamarinana amin’ny lafiny rehetra izahay, hoy ny pastera Ramamonjisoa Philibert mba : tsy ho azo hihodivirana ny fifampidinihana mankany amin’ny fifamelana sy ny fampihavanana, hahazoa-manorina fiara-monina vaovao hanjakan’ny filaminana sy ny Fihavanana. Hahazoana mametraka tetezamita vaovao sy mari-pototra, tsy miandany, mitsitsy ary mitsinjo ny vahoaka, azo amin’ny alalan’ny fifandanjan-kery vaovao mba hanana ny firenena hanao fifidianana madio sy marina ary ho eken’ny rehetra, hamerina ho tany tan-dalana indray, hamerina ny firenena amin’ny kolontsaina matahotra an’Andriamanitra sy manaja ray aman-dreny.

Mikasika ny fifidianana resahina amin’izao fotoana dia nilaza mazava ny tsy mbola resy lahatra amin’izany ny VHF-TV izay nanamafy fa tsy mbola fotoanan’ny fifidianana izao. Maro ny fitakina, ny vahoaka mijaly…na ny fifidianana aza tsy hay hoe inona ? Raha hanaiky izany isika, iza no afaka hanome toky fa tsy mbola hiitatra io tetezamita io ? Ka noho izany mila tetezamita vaovao isika, tetezamita izay haharitra 18 volana raha lava indrindra. Tsy afaka handeha irery isika fa ilaina ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa tsy izy ireo kosa no manapaka. Ny olona hitondra ny tetezamita vaovao koa dia tsy milatsaka ho fidiana ho fanajana ny tsy fiandaniana. Mikasika ny hoe hatrizay ny herin’ity vondrona ity, dia fanamby no nataon’ireo mpandrindra ny VHF-TV fa tsotra amin’izy ireo ny mameno an’i Mahamasina, tsy ilaina artista malaza, raha omena fahalalahana izy ireo.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT