Politique

Teraka ihany, fa Governemantan’ny akamakama


  • Sabotsy 19 Aprily 2014

Teraka ihany ambatobevohoka ! Tafatsangana omaly zoma 18 aprily 2014 ny governemanta voalohan’ny Repoblika faha-4, tarihin’ny praiminisitra Kolo Roger. Ahitana mpikambana 31 ao anatiny, ka minisi-panjakana ny iray, minisitra miankina amin’ny fiadidiana ny Repoblika ny iray, minisitra 28 ary Sekreteram-panjakana iray.

Misy jeneraly efatra, ka avy amin’ny tafika ny iray, zandary ny roa ka efa minisitra teo aloha ny iray ary polisy ny fahefatra. Enina koa ny vehivavy ao anaty governemanta ka efa minisitra tao anaty tetezamita ny roa amin’ireo, raha solombavambahoaka vao voafidy farany teo ny iray. Olona efa nitana andraikitra ambony tao anatin’ny tetezamita ny antsasak’ireo minisitra ao anatin’ny governemanta. Samy nametraka ny olony i Hery Rajaonarimampianina sy Kolo Roger. Governemantan’ny firaisam-pirenena no nodradraina fa hajoro. Raha ny fahitana ny firafiny anefa dia Governemantan’ny akamakama no tafatsangana.

Governemanta demokratika, hoy i Kolo Roger teny Mahazoarivo raha nandray fahefana izy tamin’ny alarobia lasa teo. Tsy ahitana taratra ny fifandanjan-kery politika ao amin’ny Antenimieram-pirenena anefa ny fananganana ny governemantany. Resabe fandaniana andro fotsiny ny niandrasana telo volana nananganana azy. Mpanolotsaina akaikin’ny filoha ny telo dia Rakotovao Rivo, Razafitrimo Arisoa Lala ary Rabary Andrianiaina Paul. Mpikambana tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ny roa dia Ratsiraka Iarovana Roland sy Maharante Jean de Dieu.

Efa minisitra tamin’ny tetezamita niara-niasa sy mifankalala amin’i Hery Rajaonarimampianina ny valo dia i Fienena Richard, Ndahimananjara Bénédicte Johanita, Andriantiana Jacques Ulrich, Johasy Raharisoa Eléonore, Maharante Jean de Dieu, Ramanantsoa Ramarcel Benjamina, Raveloharison Herilanto ary Ravatomanga Rolland. Kandida filoham-pirenena tamin’ny 2013 ary nanohana an’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fihodinana faharoa ny roa dia Ratsiraka Iarovana Roland sy Randriamampionona Joseph Martin na i Dadafara.

“Fahadisoam-panantenana sy tsikera avy hatrany no re teny am-bavan’ny maro taorian’ny nivoahan’ny anaran’ireo minisitra ao amin’ny governemanta Kolo Roger ireo”

Anisan’ireo 109 nosazian’ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina noho ny fandraisany anjara tamin’ny fanonganam-panjakana ny telo amin’ireo Minisitra voatendry dia i Fienena Richard, Maharante Jean de Dieu ary Ratsiraka Roland. Nanaitra ny maro nefa tsy nahagaga ny mpandinika politika ny nanendrena ho minisitra ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, Ahmad. Tao amin’ny tranon’ity farany i Kolo Roger no nipetraka teny Ampefiloha.

Tao amin’ny Leader Fanilo no nahafantarana an’i Ahmad ara-politika, fa nikisaka mangingina ary nifikitra amin’i Kolo Roger io ary dia nanao randra-mitarika satria dia mpikambana telo tao amin’ny federasiona tarihiny no indray tafiditra ao anaty governemanta Kolo Roger dia izy Ahmad, Rakotomamonjy André Neypatraiky ary Reboza Mahaforona Cyrille. Ho an’ireo minisitra ambiny dia fantatra fa nisy dian-tanana mpandraharaha vavy zanak’i Fianarantsoa, nanohana akaiky ary nandany fananana tamin’ny fampandaniana an’i Hery Rajaonarimampianina ny fanendrena azy ireo.

“Ny vokatra no hitsarana azy ireo”, hoy i Kolo Roger. Raha ireo akamakama voatendry ireo aloha dia efa voaporofo fa tsy namokatra, fa vao mainka aza nampikoroso fahana ny firenena, koa asa hoe fahagagana toa inona loatra no handrasana amin’izy ireo ? Tsy mahagaga raha fahadisoam-panantenana sy tsikera avy hatrany no re teny am-bavan’ny maro taorian’ny nivoahan’ny anaran’ireo minisitra ao amin’ny governemanta Kolo ireo.

Ireo mpikambana ao anaty Governemanta

Rakotovao Rivo (Minisi-panjakana misahana ny fotodrafitrasa, fampitaovana ary ny fanajariana ny tany),

Lalaharisaina Joéli Valérien (Minisitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny otrikarena stratejika),

Général de division Rakotozafy Dominique Jean Olivier (Minisitry ny fiarovam-pirenena),

Razafitrimo Arisoa Lala (Minisitry ny raharaham-bahiny),

Ramanantenasoa Noëline (Mpitahiry ny tombokasem-panjakana, Minisitry ny fitsarana),

Razafindravonona Jean (Minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola),

Général de division Raveloharison Herilanto (Minisitry ny toekarena sy ny tetipivoarana),

Mahafaly Solonandrasana Olivier (Minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana),

Jules Etienne Rolland (Minisitry ny indostria, fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina sy ny orinasa madinika sy salasalany),

Ravatomanga Rolland (Minisitry ny fambolena sy ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra),

Praiminisitra Kolo Christophe Laurent Roger (Minisitry ny fahasalamam-bahoaka),

Rasoazananera Marie Monique (Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika),

Rabary Andrianiaina Paul (Minisitry ny fanabeazam-pirenena),

Horace Gatien (Minisitry ny asa, fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa),

Ratsiraka Iarovana Roland (Minisitry ny asa vaventy),

Contrôleur Général de Police Randimbisoa Blaise Richard (Minisitry ny filaminana anatiny),

Ramparany Anthelme (Minisitry ny tontolo iainana sy ny ala),

Rafidimanana Narson (Minisitry ny varotra sy ny fanjifana),

Fienena Richard (Minisitry ny angovo),

Ndahimananjara Bénédicte Johanita (Minisitry ny rano),

Ahmad (Minisitry ny jono sy ny harena anaty rano),

Randriamampionona Joseph Martin (Minisitry ny fiompiana sy ny fiarovana ny biby),

Andriantiana Jacques Ulrich (Minisitry ny fitaterana sy famantarana ny toetr’andro),

Maharante Jean de Dieu (Minisitry ny asam-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy),

Johasy Raharisoa Eléonore (Minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampandrosoana ny vehivavy),

Ramanantsoa Ramarcel Benjamina (Minisitry ny fizahantany),

Rakotomamonjy André Neypatraiky (Minisitry ny paositra, fifandraisan-davitra ary ny teknôlôjia vaovao),

Reboza Mahaforona Cyrille (Minisitry ny serasera sy filazam-baovao ary ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana),

Andriamosarisoa Jean Anicet (Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena),

Randrianarisoa Vaonalaroy (Minisitry ny asa tanana sy ny kolontsaina ary ny vakoka),

Général de division Paza Didier Gérard (Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena).

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT