Politique

Teny Mahazoarivo Mba nametraka fanontaniana koa ny Praiministra Beriziky


  • Zoma 25 Mey 2012

Tamin’ireo fanontaniana napetrak’ireo mpanao gazety am-polony tao anatin’ny adin’ny roa latsaka kely niarahan’ny Praiministra sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky ao amin’ny “cellule de communication’ny Primature” nisakafo maraina tamin’ny ankolafina mpanao gazety marolafy misy eto an-drenivohitra, teny amin’ny Lapan’I Mahazoarivo omaly, dia mbola ilay Omer Berziky mandamina tsy taitra tsy maika (nefa tsy tara ?) sady diplômaty no natrehan’ny rehetra.

 Tsy dia nisy zava-baovao firy na azo ambara fa tsy nisy mihitsy aza tamin’ny zavatra noteneny fa nihondikondina tamin’ny fitakiana ny rehetra hiroso amin’ny fitoniana hialana amin’izao toerana mampatahotra misy an’i Madagasikara izao sy ny firosoana amin’ny fifidianana ho ampian’ny iraisam-pirenena. Nanampy izay ny fitokonana samihafa miseho lany etsy sy eroa izay nambarany fa tsy mitondra ny Malagasy hiroso any aloha mihitsy. Voasafosafo tao ny tsy fandriampahalemana tsy mbola ahitam-baliny ankehitriny sy ny savorovoro eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety manokana.

Nokianiny mafy ho mpandainga aza ny mpanao gazety raha ny lahatsoratra nivoaka an-gazety mikasika azy fotsiny no asian-teny (tokony hanamarina ny vaovao tsar a hoy izy). Niavaka ny famaranana ny fihaona tamin’ny fametrahan’Ingahy Praiministra fanontaniana tokana tamin’ireo mpanao gazety sisa tavela tao anefitrano ny amin’ny hoe : mba afaka manampy amin’ny fanentanana amin’ny firosoana amin’ity fifidianana ity ve ianareo mpanao gazety ? Roa ihany no namaly nivantana izay dia ny namana Franck Ramaroson ao amin’ny Le Courrier izay nanaiky tsy hampihambahambana fa vonona izahay mpanao gazety amin’izany ary ny solontenan’ny Gazety Tia Tanindrazana izay nanamafy ny tenin’io voalohany io saingy nametraka fepetra fa tokony hatao mazava ny vola hatokana ho an’ny mpanao gazety ho enti-manana izany satria tsy ho vita dia an-tongotra ny asa atao amin’izany ary handany fotoana maro ihany koa sady an-tapitrisany maro ny vola kirakirain’ny CENIT ho amin’izany ka tokony samy handray ny anjarany fa tsy misy mitatatra ho an-dRainilezafy eo.

Soson-kevitra moa no namaranan’ity solontenan’ny Tia Tanindrazana ity ny teniny amin’ny hoe : mba hisian’ny fifidianana mangarahara tanteraka dia tokony hatao aloha ny fifidianana sefom-pokontany izay hikirakira voalohany ny lisi-pifidianana fa maro amin’ireo am-perinasa ankehitriny no tsy hatokisan’ny vahoaka ary tsy mila vola mihitsy ny fanatanterahana izany fifidianana izany fa mampiantso fivoriambem-ponolona indray andro fotsiny dia mandatsa-bato avy hatrany. Araka ny tsilion-tsofina heno teny Mahazoarivo dia mbola hihaona amin’ny “Patron de Presse” sy “Red Chef” tsy ho ela ny Praiministra.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT