Politique

« Teny ierana hanompo vahoaka » Ny 88%-n’ireo kandida kaominaly no efa nanasonia


  • Alakamisy 07 Novambra 2019

Ny fifidianana dia raharahan’ny vahoaka malagasy ary tokony hisy tomponandraikitra mivantana mikirakira azy.

 

 

 

Efa ela no hita ho niha nihena ny fandraisan’anjaran’ny olompirenena amin’ny raharaham-pirenena. Be dia be ny antony. Ao ny fitadiavana, ny tsy firaharahiana politika intsony, ny tsy fanaraham-baovao sy hafa be dia be, hoy ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM, Gérard Ramamimampionona, raha naneho ny heviny manoloana ny fampielezankevitra hita ho mangatsiatsiaka hatreto. Ny CFM dia mampahatsiahy ny rehetra ny amin’ny tokony handraisany ny andraikiny amin’io, hoy izy. Misy ny atao hoe « Teny ierana hanompo vahoaka » izay karakarain’ireo komity iombonana mikarakara fifidianana asaina soniavin’ireo kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina manerana ny nosy ankehitriny. Anisan’ny asaina ekena amin’io ny fanajana ny zon’olombelona, ny fanajana lalàna ary ny fanajana ny soatoavina malagasy. Hasaina manaja ireo toetra maha ray aman-dreny ireo mialoha ny fifidianana ireo izay manaiky hanasonia, raha ny fanazavana hatrany. Ny 88%-n’ireo kandida moa, raha ny voalaza, dia efa nanasonia izany avokoa. Ny talata izao no hatolotra ireo kandida eto Antananarivo izy io.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT