Ny teny diso tsy mba kabary, hoy ny Malagasy, ka tsara ihany ny ampahafantarana ny zava-misy marina sy ny manan-kery ary ara-dalŕna mba hanitsian’ny tsirairay ny fomba fiteniny.
Efa miverina eto Madagasikara ny rafitry ny Faritany amin’izao repoblika faha-4 izao ka noho izany diso ny filaza hoe faritanin’Antananarivo na Toamasina teo aloha, izay re miverimberina amin’ny resaky ny olona etsy sy eroa, hita any anaty soratra sy fampitam-baovao sasany. Mazava tsara ny ambaran’ny andiny faha-3 ao amin’ny lalàmpanorenana manankery amin’izao fotoana momba izany manao hoe : « Ny Repoblikan'i Madagasikara dia Firenena miankina amin'ny rafitry ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana izay ahitana Kaominina, Faritra ary Faritany ka ny tandrifim-pahefana sy ny foto-kevitra momba ny fizakan-tena ara-pitondran-draharaha sy ara-pitantanam-bola dia iantohan'ny Lalàmpanorenana sy faritan’ny Lalàna ». Mazava be eto fa aorian’ny fifidianana nametrahana ny ben’ny tanàna izany dia tsy maintsy hisy ny fifidianana izay hitantana ny faritra 22 sy ny faritany 6. Ny lalàna ihany moa no hamaritra ny fomba sy ny endrika ary ny fotoana hanatanterahana izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.