Nahasorena ny maro ny nahita ny fampahalalam-baovao navoakan’ny Televiziona Malagasy (TVM) halina. Niniana naparitaka sy novoizina ny vaovao nentina nandotoana sy nanaratsiana ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana, ka nilazana fa tsy nahafaly ny vahoaka tany Toliara ny fahatongavany tany an-toerana.
Horonantsary nahitana andian’olona mihogahoga nizarana taratasy misy soratra hoe “molia Ravalo” na modia Ravalo amin’ny fiteny ofisialy sy ny hoe “Tsy mila anao Toliara” no nezahina nalefa tao anatin’ity fahitalavitra tokony hitaiza sy hanabe ny Malagasy ity. Fandikan-dalàna tsotr’izao ny fandrarana ny Malagasy tsy hivezivezy eto amin’ny tany sy ny firenena, saingy nabaribarin’ny fahitalavi-panjakana ny fankasitrahana izany tamin’ny alalan’ny fandefasana ity horonan-tsary mamoa-doza ity. Niniana nikipiana ny vaovao hafa manamarika ny tena zava-nisy marina tany an-toerana hoe vahoaka tsy tambo isaina no nitsena sy nanara-dia an’i Marc Ravalomanana, ary nosakanana ny fifampiarahabana nahatratra ny taom-baovao saika hataon’ny filoha teo aloha sy ny vahoaka tany an-toerana. Lojika ny tsy fandefasana izany tao amin’ny TVM satria ny fitondrana no mandidy sy manapaka ao, saingy iry toe-javatra voalohany iry no mahagaga sy mahatalanjona satria miendrika fampianaran-dratsy sy toa manome vahana ny fivoizana adim-poko eto amin’ny firenena. Mety tsy hanam-pidiny anefa ireo mpiasa sasany na tonga saina aza satria tsy afa-manoatra amin’ny tery vay manta sy ny teny midina. Fanasohasoana fitondrana sy fanaratsiana ny mpanohitra na ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra sisa no tena betsaka amin’ny haino aman-jerim-panjakana fa tsy fitaizana ny vahoaka Malagasy, raha toa ny fahitalavi-pirenena no tokony hivoy izany voalohany. Io anefa no fahitalavitra hany tena maharakotra an’i Madagasikara. Fampiadiana sy fifandranitana ve izany no ezahina hampidirina ao an-tsain’ny Malagasy amin’izao taom-pifidiaana izao ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.