Tena ratsy laza ny distrikan’i Betroka hatramin’izay. Dahalo foana no ao an-tsain’ny rehetra, hoy i Paolo Raholinarivo raha vao mahare ny anaran’ity distrika iray ity,
manginy fotsiny ny lazany amin’ny resaka kolikoly sy ny tsy fisian’ny fandriampahalemana izay mampitaraina fatratra ny rehetra tokoa. Vonona ny hanova ny fomba fijerin’ny rehetra ity distrika iray misy azy ireo ity ireo tanora mivondrona ao anatin’ny “Assocition des jeunes pour le developpement de Betroka”, ny teknisianina ny mpandraharaha, ny raiamandreny, ireo mpitarika fikambanana avy any an-toerana mivondrona anaty vovonana iray. Nihaona sy nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Antaninarenina izy ireo omaly ka nambarany fa hatombony amin’ny fijerena ireo tompon’andraikitra izay hitantana ny tanàna sy hijery ny fampandrosoana ifotony izany. Distrika iray tena mamokatra mantsy i Betroka. Ananany ny vary, ny omby, ny voanjo, ny tongolo, ny vatosoa saingy natao gaboraraka ny fitantanana azy hatramin’izay ka tsy nisy asa fampandrosoana vanona. Nisy moa omaly ny faneken’izy ireo hanohana an-dRaobelitsirofo Vôjanahary, kandida laharana fahatelo nilatsaka hofidiana ho solombavambahoaka any amin’ity distrika iray ity ho fanampiana ny fitondram-panjakana amin’ny fampandrosoana an’i Betroka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.