Politique

Tcheck Julien Matsubara “Fihavanana sadasada no eto”


  • Alakamisy 14 Septambra 2017

Tcheck Julien Matsubara, fantatry ny rehetra amin’ny anarana maha mpanakanto Matsubara, no zandriny indrindra, 44 taona, amin’ireo mpikambana ao anatin’ilay komity ho an’ny fampihavanam-pirenena vaovao na ny CFM.

 Naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny tontolon’ny fihavanana Malagasy tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny fitsarana avo etsy Anosy ny tenany taorian’ny fianianana nataony omaly. Nilaza izy fa fihavanana sadasada no eto satria tsy sahy miatrika isika fa misy zavatra tsy sahintsika tenenina. Lasa mandiso ny tombana rehetra misy io ary raha tsy mitandrina dia na olona roa miady aza dia mety hiteraka adim-poko. Miankina amin’ny fahavononan’ny tsirairay kosa anefa, hoy izy, ny hahatongavana amin’ny fampihavanana tena izy fa na hampihavana toy ny inona aza ka tsy vonona isika dia ny eo ihany no ho eo.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT