Politique

Tatitra momba ny fifidianana Nandamindamin-dresaka ny praiminisitra


  • Alakamisy 15 Martsa 2018

Nihaona tamin’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly alarobia 14 martsa ny solontena manokan’ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana (ONU) Haile Menkerios.

 

 Nanatrika ny fihaonana ny solontena maharitry ny firenena Mikambana eto Madagasikara Violette Kakyoma. Tonga hijery ifotony ny ezaka vita amin’ny fanomanana ny fifidianana hatao eto Madagasikara izy satria isan’ny mitondra anjara biriky lehibe amin’ny lafiny teknika mba hahatomombana ny fifidianana ny ONU. Nitondra fanazavana ankampobeny ny praiminisitra, izay nilazany nisian’ny dingana nandraisan’ny rehetra anjara, ny dingana vita mikasika ny lisitry ny mpifidy, ny fanatsarana sy fanavaozana ny lalàm-pifidianana izay efa eny am-pelantanan’ny parelemanta. Nasian’ny praiminisitra teny ihany koa ny momba ny serasera sy ny fampahalalam-baovao mba hisian’ny mangaraharaha, ary ny dingana farany dia ny fandinihana amin’ny fifanarahan’izany amin’ny lalàm-panorenena. Naneho ny fahafaham-pony amin’izay lafiny teknika izay ny iraky ny firenena mikambana. Mbola misy kosa anefa ireo lafin-javatra mila jerena akaiky. Raha ny famintinana fohy nataon’ireo delegasionin’ny ONU, dia hifantoka betsaka amin’ny lafiny teknika sy politika ny fanampiana hoentin’izy ireo amin’ny fifidianana. Na izany na tsy izany, dia karazan’ny miezaka mandamindamin-dresaka ny fanjakana eo anatrehan’ny zava-misy, ary milaza fa mandeha amin’ny antsakany sy andavany. Ny tena zava-misy anefa, dia tsikaritra ho mikorontana ambony ambany, ka raha tsy mitandrina isika, dia gidragidra no hiandry an’I Madagasikara ato ho ato.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT