Politique

Tatitra hataon’ny Parlemantera Efa tsindrindaona Antananarivo


  • Alakamisy 26 Aprily 2012

Andro iray sisa dia higadona ny datin’ny 28 aprily, hanatanterahan’ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana tatitra amin’ny vahoakan’Antananarivo, ny fivoriana nataon’izy ireo hatramin’izao.

 Totoafo ny fanentanana sy ny toromarika omen’ireo parlemantera, eny an-kianja sy any amin’ny kartie samihafa any hiatrehana io andro io. Raha ny fahitana azy dia efa dodona sy tsindrindaona be ihany ny vahoakan’Antananarivo mikasika ity tatitra hataon’ireo Parlemantera ity. “Efa telo taona no niandrasanay an’io fotoana io mba halalanay koa ny marina eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy i Nenifara Antenaina Marie Georgette, ka “na Ambohitrimanjaka fotsiny aza hahafeno an’Ambohijatovo amin’io sabotsy io”, hoy izy. Ny Parlemantera koa etsy andaniny milaza fa “tsy andrinay ny hahatongavan’ny andro sabotsy. Ho avy ny avy amin’ny faritra ka amin’ny sabotsy mifankahita”, hoy i Sazalahy Tsianihy.

Masa-bary maito kitoza izany, raha ny fanamarihana nentin’i Constant Raveloson satria “efa resaka any anaty bus io hetsika amin’ny sabotsy io”, hoy izy, ka “fandraisana andraikitra izany”. Nitondra fanamarihana ny tenany teny an-kianjan’ny Magro Behoririka omaly fa “tsy manana hevitra hanao bandy sy rôly amin’ny Emmo-Reg ny Parlemantera fa hanao fanjakana, ary tsy fanehona hevitra no hataonay fa tatitra”. Nanamafy izay nambarany Rakotomanjato Rodin sady nampahatsiahy fa “na ny lalàmpanorenanareo aza milaza fa afaka manao tatitra ary ny tondrozotra koa dia manamafy izany ary satria koa izahay tsy mahazo fitenenana amin’ny haino amanjerim-panjakana dia hanao tatitra amin’io sabotsy io”.

Nangonin’i Jean D. sy Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT