Politique

Taratasy ho an’i Jean Miandry Mana hoe ?


  • Alatsinainy 20 Mey 2013

Amin’ny alalan’ity taratasy ity no mba hisintonako ny sainareo ry Jean. Raha jerena ny manodidina sy ny fiainantsika amin’ny ankapobeny dia tena nitontongana ny fiarahamonina.

 Tato anatin’ny efa-taona mahery izao dia eto isika ry Jean, ary mampanontany tena ahy hoe tratran’ilay atao hoe bemanaiky ve sa torimaso diso adiresy ? Firifiry ireo tsy rariny, tsy marina hitantsika, henontsika ary iainantsika saingy dia manaiky izany ny besinimaro. Tsy misy sahy mijoro, mitsangana mamoha milaza fa lasa any an-kady anie ny firenena e ! Ireo ao an-kianja sisa no mitabataba isan’andro. Eny e ! Mety handrenesam-peo koa ny eny amin’ny onjam-peo sy tranonkala saingy olom-bitsy ihany ireny fa tsy ilay valalabe mandry miaina ny tsy fahitana ny iray kapoaka, na ireo tena miady mafy ahitana izany.

Tsy ny ao am-bilany ihany no voatohintohina fa ny fiainana rehetra mihitsy. Eo anatrehan’izany anefa dia mangina daholo ny mpiray tanàna, ny mpiray firenena. Ny sasany vitsy an’isa toa variana miady toerana sy politika, ny hafa maro an’isa indray toa mitazam-potsiny. Dia iza ry Jean no antenaina hanova sy hitondra fahombiazana kokoa ho antsika raha isika tena tompony aza mijery fotsiny ? Tamin’ny andron’ny Baiboly no nisy ny mana fa ankehitriny kosa…

Marco be maso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT