Azo antoka aloha ry Jean, fa ho faly tahaka an’ireo zanany nitafa nivantana tamin’ise tany Sina ireo ray aman-drenin’ireo mpianatra any an-toerana ireto. Rariny ny fifalian’izy ireo satria tonga i Zorro nanafaka azy ireo efa tao anatin’ny lavaky ny famoizam-po fa tsy maintsy hotsimponin’ny fahafatesana tsirairay tahaka an’ilay namany nodimandry teo ireo ambiny rehetra ireo. Hay ve ry Jean misy vola ihany ao fa ise no tsy te-hanao sonia ny fahazoan-dalana amin’izany raha tsy nahita maso ny zava-misy â ? Tena tsy mino maty tokoa ise ity raha tsy avy nandevina â ? Fa vola avy aiza tokoa aloha izao ity azon’ise hatolotra maimaika anio ity ê ? Sao dia mba avy nivarotra hazo mahagaga tany amin-dry Kelimaso ary ise ity dia lasa be dôlaka be indray ? Mampiahiahy â ! Enga anie ka mba ho diso ny eritreritro ao anatin’izao herinandro Masina fiandrasana ny fetin’ny Paska izao. I Jean moa efa niova fo tanteraka ô ! Efa voadion’ny ran’ny Zanak’ondry tany Israely ! Kony e ?
Hoy i Marco Be ahiahy nefa mino ihany fa rehefa maty dia maty
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.