Politique

Taratasin’ny CPS Nanetsika ny hambom-pon’ny amiraly Ratsiraka


  • Alatsinainy 12 Desambra 2011

Tsy niandry ela koa ny valin-kafatr’i Deba taorian’ny taratasin’ny CPS mitaona ny ankolafy Ratsiraka, tarihiny sy ny ankolafy Zafy hiditra anaty tondrozotra ho an’ny tombontsoa ambonin’ny firenena.

 Nanetsika ny hambom-pon’ny amiraly Ratsiraka io taratasin’ny CSP io, ka nilazany fa tsy ny vahiny no hanome lesona azy amin’izay fametrahana ho ambony ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny fiandrianam-pirenena izay. Notsiahiviny indray fa nifandray tanana izy sy Atoa Marc Ravalomanana tany Maputo sy Addis Abeba noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena, na maro aza ny olony lavo tamin’ny fampandriantany nataon’ny Zanadambo tamin’ny 2001. Mbola noho izay tombontsoa ambonin’ny firenena izay no nanamafisany ny tokony hanatanterahana ny fiaraha-midinika eo amin’ny samy Malagasy anatin’ilay fihaonana an-tampony hatao eto Madagasikara.
Nandao an’i Madagasikara ny sabotsy 10 desambra teo i Deba mivady sy ny zanany vavy. Hanara-maso ny fahasalaman’ny vadiny no anton-diany any raha ny fanazavany nialoha ny niaingany teny Ivato. Tsiahivina fa ny alakamisy 24 novambra 2011 no nahatongavan’ny amiraly indray an-tanindrazana rehefa nanao sesitany ny tenany nandritra ny sivy taona sy efa-bolana tany Frantsa izy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT