Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny Pentekôsta ry Jean. Enga anie ka mba hitondra fanovana sy fiovana tokoa izy iny !
Ilaina tokoa manko ry Jean izany Fanahy Masina izany. Fanahy Masina izay hany andrandraina ho an’ny efa very hevitra fa mba mety hitondra jiro hanazava ity firenena ity izay any an-davaka mangitsokitsoka. Izy no fanantenana ho amin’ny hoavy. Raha izao fandehany izao tokoa manko ry Jean dia hitombina ihany ny eritreritra fa tsy hisy fifidianana izany eto an ! Izao dia hoe tsy hanome vola indray ny vazaha. Dia hoy aho hoe : aleo mihitsy izay aloha e ! Aleo aloha isika mba samy hikepokepoka ny zavatra nataontsika eto ê ! Ao manko misy manadino fa novolena izao krizy politika izao ka dia anjaran’ny tsirairay no mandinika. Anjaranareo ry Jean ny mitady izay hampilamina ny tanàna fa ianareo no namafy izao a !
Raha dinihina sy heverina dia ilay ‘magie-magie’ nataonareo koa no nampihemotra ny mpamatsy vola e ! Ny mahagaga ahy fotsiny dia tsy sahy milaza aminao mivantana izy hoe ianao no tena fototry ny olana fa raofiny miaraka daholo ianareo. Ny olana koa dia ireo tsy namafy krizy no lasa miara-mijinja tadio aminareo. Hiaraha-miaiky rahateo fa tsy dia mahamaika izany fifidianana izany na dia heverina aza fa lalana mety hamahana ny olana. Raha kitoatoa anefa no hikarakarana azy ka ho loharanona-krizy hafa vaovao indray dia aleo hilamina ry Jean â. Ny an-tratra manko tsy lavo. Dia inona sy aiza izany izao no atao?
Marco valalanina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.