Politique

Tapatapany GOVERNEMANTA


  • Alatsinainy 20 Jona 2016

Handalo eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny mpikambana ao amin’ny governemanta Mahafaly Olivier ny talata 21 jona 2016.

  Fotoana izy io hanaovan’izy ireo tatitry ny asan’ny fahefana mpanatanteraka.

ZANDARIMARIAM-PIRENENA 

Nahatratra 2.000 ny fanafihana miaro halatra omby tao anatin’ny 5 taona farany, izany hoe manodidina ny 400 isan-taona, araka ny tatitra nataon’ny sekreteram-panjakan’ny zandarimariam-pirenena. 39 kosa ireo zandary namoy ny ainy tamin’ny ady famongorana dahalo.

HABAN-TSERANANA 

Nahatratra 599,8 miliara ariary ny vola niditra nandritra ny 5 volana voalohany tamin’ity taona 2016 ity, araka ny tarehimarika nivoaka teo anivon’ny foiben’ny haban-tseranana.

VIH/SIDA 

4 alina hatramin’ny 6 alina ireo olona miaina miaraka amin’ny tsimokaretina VIH/ SIDA eto Madagasikara. Latsaky ny 1% kosa ireo manaraka fitsaboana, araka ny antontanisa ofisialy.

FETIN’NY RAY

Toy ny mahazatra, nangingina ny fetin’ny ray tamin’ny ankapobeny. Mety nifanandrify tamin’ny rigby teny Mahamasina koa angamba ny teto an-drenivohitra. Ny varimbariny no maro teny an-dalana ny hariva. Efa taratry ny fahasarotan’ny fiainana koa angamba  

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT