FIFIDIANANA
Anio ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no hamoaka amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana Loholona notontosaina tamin’ny 29 desambra 2015. 42 amin’ireo Loholona 63 ho mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona no nofidiana mivantana. Hotendren’ny filohan’ny Repoblika ato anatin’ny 15 andro aorian’ny famoahana vokatra ofisialy anio kosa ny 21 ambiny. Araka ny lalàmpanorenana dia mivory voalohany ny Antenimierandoholona ny talata faharoa aorian’ny famoahana ny voka-pifidianana, manangana ny birao maharitra sy mandany ny fitsipika anatiny.
MAHAJAMBA
Fokontany 7 amin’ny 10 no difotry ny rano tany amin’ny Kaominina Mahajamba, distrikan’i Mahajanga II vokatry ny fihaonan’ny ranomasina sy ny reniranon’i Mahajamba. Potika ny tahirin-tsakafon’ny olona, rava ny trano. Maty ny ankamaroan’ny omby sy akoho amam-borona. Masiaka ny voay. Sambo haingam-pandeha an’ny orinasa AQUALMA no manampy amin’ny fanavotana ireo olona voageja any afovoan-drano any.
AMBOHITOAKA-MAMPIKONY
Olona roa no namoy ny ainy vokatry ny fiakaran’ny rano tampoka, nateraky ny rotsak’orana nisesy, nentin’ny andian-drahona matevina tamin’iny faritra avaratra andrefan’ny Nosy iny, tao anatin’ny herinandro. Ramatoa ny iray, ary mpiandry omby ny faharoa. Nisy lehilahy iray nokaikerin’ny voay teo amin’ny feny ihany koa. Nalefa omaly notsaboina any Mahajanga izy io, noho ny halehiben’ny fahavoazany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.