Hiverina an-dapa ireo olom-boatendry avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.
Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sady filohan’ny ankolafy Ravalomanana no nanambara ofisialy izany omaly, nandritra ny valandresaka nataony tamin’ny mpanao gazety tao Bel’Air, foiben-toeran’ny antoko Tiako I Madagasikara sy ny ankolafy Ravalomanana, tamin’ny alalan’ny antso an-tariby nivantana avy any Afrika Atsimo. Io izany no anisan’ny vokatra iray (lehibe), nateraky ny fihaonamben’ireo filoham-pierenena sy lehiben’ny governemanta eo anivon’ny Vondrona SADC notanterahina tatsy Maputo Afrika Atsimo ny 17-18 aogositra teo. Nohenoina ny ankolafy Ravalomanana no dikany raha tsorina ary dia fahombiazana ho an’ity farany iny fihaonana iny.
Nambaran’ny filoha Ravalomanana rahateo fa izy no nangataka ny handinihana ny raharaha Madagasikara mandritra ny fihaonana antampon’ny SADC, ka nahatonga ny fanasana ofisialy azy sy Andry Rajoelina hiatrika izany, mba hahafahan’ny andaniny sy ny ankilany manazava ny zava-misy marina indrindra taorian’ny nanaovana sonia ny tondrozotra tamin’ny 17 septambra 2011. Ho an’ny ankolafy tarihiny dia nampahatsiahy ny filoha Marc Ravalomanana fa efa nandefa taratasy mirakitra ny tsy fanajana sy fitongilanana amin’ny fampiharana ny tondrozotra tamin’ny filoha Jacob Zuma, nitarika ny Troika ; Dr Tomaz Salomao, Sekretera mpanatanteraky ny SADC ary i Eduardo Dos Santos, filohan’ny SADC tamin’ny fivoriana tany Luanda, ny 31 mey sy 01 jona 2012, ankoatra ny taratasy in-droa miantoana, ny 09 mey 2012 nataon’Atoa Mamy Rakotoarivelo, lehiben’ny delegasiona ankolafy Ravalomanana sy ny 27 mey 2012 nataon’Atoa Marc Ravalomanana, milaza fa misintaka tsy nandray anjara amin’ny fivoriana rehetra na eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita na ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita na ny filankevitry ny governemanta na filankevitry ny minisitra ny ankolafy tarihiny, mandra-pazava ireo teboka mampifanolana amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra. Nandray ny andraikiny ny SADC nandritra ny fivoriana tany Maputo, araka ny nambarany ary dia izao hiverina an-dapa izao ny olony. Mikasika ilay fihaonana farany teo tao Maputo dia nisy teboka telo mazava nambaran’Atoa Marc Ravalomanana. Voalohany : nankatoavin’ny SADC ny tetiandrom-pifidianana nofaritan’ny CENIT niaraka tamin’ireo manampahaizan’ny Firenena Mikambana.
Faharoa : tsy anjaran’ny SADC no manakana na tsy mamela ny olom-pirenena hilatsaka hofidiana amin’ny fifidianana demokratika, koa dia malalaka ny filatsahan-kofidian’ny rehetra izay vonona ho amin’izany hoy izy. Fahatelo : tsy maintsy tanterahina tanteraka an-tsakany sy andavany ny tondrozotra, anisan’izany ny adininy faha-20, milaza fa tsy misy fepetra ny fodian’ireo sesitany noho ny antony politika, ka anisan’izany ny tenany, Marc Ravalomanana ary koa ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Handray an-tanana ny fanafainganana an’io ny Troika, izay ry zareo Tanzaniana no mitarika azy taorian’iny fihaonana tany Maputo iny, araka ny nambarany hatrany. Hisy ny delegasiona halefan’ny Troika, tsy ho ela, eto Madagasikara handamina izay mba ho anatin’ny fitoniana ary dia hohamafisina ihany koa ny birao fifandraisan’ny SADC.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.