Efa tena tsy misy atokona intsony mihitsy ve i Madagasikara ka tsy miasa saina firy intsony ny mpitondra fa izay rehetra milaza fa manam-bola dia iaraha-miasa daholo na inona na inona mety ho takalon’izany vola be izany.mampieritreritra ny fandrenesana fa ho avy eto Madagasikara
amin’ity volana janoary ity ny filohan’i Tiorkia Recep Tayyip Erdogan ka mpandraharana no tena handrafitra ny delegasionina tarihany izay 100 mahery raha araka ny fantatra.Mihevitra ny hametraka fifanarahana ara-toekarena matanjaka amin’i Madagasikara mantsy i Torkia izay anisan’ireo firenena manomboka matanjaka sy manana ny maha izy azy any Azia.Tohiny lojika io fahatongavan’i filoha Erdogan eto io taorian’ny nisokafan’ny zotram-piaramanidina mampitohy an’i Istanbul sy Antananarivo.Ny 15 desambra 2015 no nigadona voalohany teny Ivato ny A 330-300 an’i Turkish Airlines ka mpandeha 96 no niditra teto Madagasikara tamin’io, in-telo isan-kerinandro no misy ny sidina.Somary niteraka resabe ihany ity fifandraizana amin’i Torkia ity izay firenena Silamo ary henjakenjam-pitantanana rahateo ny filoha Recep Tayyip Erdogan izay tsy nisalasala nampisambotra olona efa ho 30 000 taorian’ny fanonganam-panjakana nitranga tany an-toerana tamin’iny taon-dasa iny , raha ilaina dia ampiharina ny fanamelohana ho faty hoy izy.Fa ankoatr ‘izay dia voalasa fa anisan’ireo firenena nifanaraka tamin’ny Eoropeanina mba hampianatrano ireo mpitsoa-ponenana avy any amin’ireo tany mikorontana toa an’i Siria, Irak…i Tiorkia.Mandeha anefa ny resaka fa tsy mazoto intsony handray ireo mpitsoa-ponenana ireo i Tiorkia ka mitady firenena hafa hiaraha-miasa, toa an’i Madagasikara ohatra dia mody lazaina hoe misy fifanarahana ara-toekarena kanefa raha ny tena marina dia misy ampana mpitsoa-ponenana sy mpifindra-monina izany efa tafiditra eto.Iny eo ihany fa ny tena mampiahiahy dia anisan’ny firenena fandalovana sy fieren’ny mpanao asa fampiorohoroana ihany koa i Tiorkia ary vao ny alin’ny 31 desambra teo mihitsy aza no nisy olon’ny vondrona Etat Islamique nanao tifitra variraraka tao amina trano fandihizana iray ka nahafaty olona 30 mahery.Tsikaritra mantsy nandritra ity repoblika faha 4 ity fa mirona mifandray bebe kokoa amin’ny firenena silamo i Madagasikara ary tena nihanaka faran’izay haingana tao anatin’izay 2 taona sy tapany izay ny finoana Silamo teto.Efa misy ihany koa ireo hotely lehibe eto an-drenivohitra nanala tanteraka ny kisoa sy izay azo avy aminy ao amin’ny sakafo atolony.Taorian’ny Karana sy ny Sinoa izay efa tena efa nangoron-karena tokoa teto Madagasikara izany dia ho avy indray ry zareo Tiorka e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.