Politique

Taona 2018 Kihon-dalana ho an’ny tantaram-pirenena


  • Talata 02 Janoary 2018

Migadona ity ny taona 2018, ka dingana lehibe ho an’ny isam-batan’olona ny nahadinganana iny taon-dasa iny, izay somary mafimafy sy nafaitra ho an’ny Malagasy raha ny fiainam-piarahamonina ankapobeny no dinihina. Samy mety nanana ny namaritana azy ihany koa anefa ny isam-batan’olona hoe nitondra fahombiazana ho azy ve iny taona nivalona sy tsy hiverina intsony iny sa ny mifanohitra amin’izany ? Ny irariana kosa anefa dia mba hitondra hery vaovao ho an’ny isam-batan’olona ity taona vaovao ity, fa tsy ny taona ihany no hiova fa mba hivoatra manaraka izay ihany koa ny fiainan’ny Malagasy. Kihon-dàlana lehibe ho an’ny tantaram-pirenena ity taona 2018 ity.

Ny fifidianana no masaka ao an-tsain’ny rehetra raha ny ny raharaham-pirenena no resahina. Eo no mety hamaritra indray ny ho avin’I Madagasikara hoe hiroso amin’ny dingana vaovao sa vao mainka hilentika any anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana, kolikoly, tsy fandriampahalemana, afera maloto, fanomezana sy famarotana tanindrazana amin’ny vahiny,.. Isan’ny nanamarika ity fitondran-dRajaonarimampianina ity izany, kanefa mbola manantena mafy izy ireo fa ho azony mora foana indray ny fahefana ary tsy ho sarotra aminy ny mamotika ny kandida atahorany. Miankina amin’izay mpitondra ho avy eo ny ho avin’I Madagasikara indray ao anatin’ny 5 taona. Ekena fa tsy hahavita fahagagana, izay handimby ny HVM eo, saingy inoana fa tsy ho fanjakana tompon’ny afera maloto sy kolikoly, ary hahay hihavana fa tsy hanisy hantsana lalina, ka rehefa akaiky fifidianana vao ho may endim-baoanjo tahaka ny ankehitriny, ka eo vao mody hikofokofoka sy hiatsaravelatsihy ary hanambaka vahoaka. Raha miandrandra famirapiratan’ny fiainana ny vahoaka, dia toa ho fotoana hangidy sy hafaitra ho an’ny mpitondra ankehitriny kosa ity taona ity na inona na inona hevi-petsy sy mamohehitra kotrehiny ao. Fotoana hamoahan’ny Malagasy nilomano tao anatin’ny fahantrana lalina ny heviny fifidianana, ka eo no fotoana mety indrindra amin’ny hanaovany valim-babena ho an’ny mpitondra akarakaraka ny nataony, ary raha ny lojika indrindra aloha dia tsy ho lany izany intsony ny fanjakana HVM raha tena madio sy mangarahara tokoa ny fifidianana. Izao sahady dia efa maro ireo tsindry mitatao eo an-damosin’ny fanjakana Rajaonarimampianina: fitakian’ny mpampianatra mpikaroka, ny an’ny miaramila misotro ronono, ny resaka vidin-tsolika, ny tsindry amin’ny resaka fifidianana,… Vao hiandoha ny taona dia efa hotsenain’ny fitokonana sy ny fitakiana lavareny, raha tsy misy ny fiovana. Toa zary vono afo sy fampandriana adrisa lava fotsiny amin’ny ankampobeny no setrin’ireny fitakiana isan-karazany ireny, fa ny maha maika dia ny hanao izay fomba rehetra hibodoana fahefana, ary dia efa tsy an-kijanona intsony ny propagandy mialohan’ny fotoana.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT