Politique

Taona 2017 Hazo fijaliana ho an’ny Malagasy


  • Alakamisy 21 Desambra 2017

Hivalona afaka roa herinandro ny taona 2017 izay azo fintinina ho lalan’ny hazo fijaliana ho an’ny Malagasy. Azo ambara ho andro niditra na koa ho “taona niditra” ity taona ity.

Vao tsy tapitra ny volana voalohany dia 47 no maty tao Anjozorobe vokatry ny lozam-pifamoivozana ka fianakaviana betsaka ndeha hanotrona mpanambady no saika ringana. Fito volana aty aoriana, 100 km miala an’Antananarivo amin’ny lalam-pirenena faha-4 mpikambana ao amin’ny Sampana Tanora Kristianina (STK) FJKM Synodam-paritanin’i Soavinandriana Itasy, handeha hamonjy an’i Mahajanga toeram-pihaonana nosafinidy hanaovana ny Zaikabe ho an’ny STK manerana ny Nosy no tra-doza satria tsy tafiditra ny vitesy ary dia nivarina tany an-kady ny fiarabe Boeing nitondra azy ireo. Mpino kristianina niisa 20 no namoy ny ainy ary nihoatra ny 100 naratra. Irony karazana fiarabe misy rihana antsoina hoe : “Imperial” nofain’ireo STK irony no nahitana loza io. Vao tsy ampy herinandro dia kamio an’ny Tafika no nivadika tany anaty rano tao Ambinanitromby, distrikan’Ikongo, ka mpitandro ny filaminana miisa sivy no namoy ny ainy. Hamerina ny fandriampahalemana taorian’ny fanafihana ny fonja tao Ikongo izy ireo no sendra ny patsa iray tsy omby vava. Tsy adino ny pesta izay nahafaty olona, teratany Malagsy sy vahiny, tsy lavitra ny 200. Ireo maty vokatry ny asan-dahalo izay ny farany fantatra dia tany Tsaratanana, olona 27 no voalaza fa namoy ny ainy. Efa an-jatony ny Malagasy no ripaka noho ny loza, herisetra, aretina, tsy fanjarian-tsakafo tamin’ity taona ity. Tsy resahina ny fidangan’ny vidim-piainana, nateraky ny fiakaran’ny vidin-tsolika niantraika amin’ny vidim-bary izay tsy mbola nisy toy ny tamin’ity, mahatratra 700 Ariary teto Antananarivo, 1200 Ariary ny kapoaka tany Marolambo, mbola narahina fanapahan-karama indray tamin’ny desambra ity, nefa ho avy ny fety, ny andro anefa maitso ahitra na fahavaratra. Mety ho “andro miditra” araka ny fitenin’ny tanora fa eo indrindra ny tandrevaka sy ny kolikoly ary tsy firaharahiana avy amin’ny tompon’andraikitra. Fambara ireny tranga ireny fa latsaka an-kady Ramalagasy ka mila mitraka.

Mitady “Ray” hiaro sy hiahy azy ity firenena ity mba tsy ho fijaliana lalandava ny fiainany amin’ny taona 2018.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT