Politique

Tany tsy misy fanjakana


  • Zoma 06 Aprily 2012

Mampiteny ny moana ity tsy fandriampahalemana ity. Mihazakazaka mandroso antontanisa ny mpitandro ny filaminana, hilazany fa miasa izy ary nahazo vokatra.

 Tsy misy mandà an’izany, fa ny zava-misy dia isan’andro vaky ny asan-jiolahy, ary vao mainka aza mahery vaika, satria dia mandriaka hatrany ny ra. Raharaha mbola mitana ny sain’ny maro ny tranga tetsy Andohan’i Mandroseza, izay namonoan’ny “jiolahy” tamin’ny fombe feno habibiana ny jeneraly zandary Ramananarivo Claude sy ny vadiny ary ny zanany vavy, izay tsy nisy nahalala raha tsy ny “alerte” avy amin’ny fianakaviany rehefa tsy nahita sy nandre azy fotoana elaela ireto farany. Ny alarobia 04 aprily 2012 antoandro no nahitan’ny fianakaviana sy ny mpitandro ny filaminana ny razan’izy telo mianaka tao an-tranony etsy Andohan’i Mandroseza.

Mifamahofaho be ny resaka re manodidina ity vono olona mahatsiravina ity. Ny vaovao ofisialy aloha dia hoe : efa misy fitaovana hita, ka anisan’izany ilay fiara Toyota RAV4 very tao amin-dry jeneraly. Nanamafy ny fahitana io fiara io ny jeneraly komandin’ny zandarimariam-pirenena ankehitriny, Razafindrakoto Bruno Wilfrid omaly, saingy tsy nanome fanampim-panazavana, fa dia nionona tamin’ny filazany hoe : “mitohy ny fikarohana sy ny fanadihadiana”.

“Mafia” : Loharanom-baovao hafa mihitsy indray anefa no milaza fa mety misy ifandraisany amin’ny nitifiran’olon-tsy fantatra ilay “steward” teny Analamahitsy tamin’ny desambra 2011 ity famonoana ny jeneraly Ramananarivo Claude telo mianaka ity. Resaka volamena moa no tao ambadiky ny famonoana ilay “steward”. Mpitondra  entana mankany ivelany ity farany, saingy nisy nanontsana ka nahatrarana volamena tao anaty entany. Re nony taty afara fa vela-pandrika no namonoana azy teny Analamahitsy io. Araka io loharanom-baovao io ihany dia misy rohim-pihavanana amin’ny jeneraly ilay “steward” nisy namono io. Heverina, araka izany, fa mety ho nanao fanadihadiana miafina manodidina ny nahafatesan’io “steward” io ny jeneraly Ramananarivo Claude. Izy rahateo zandary, havanana amin’izany resaka izany. Eo no mipetraka ny ahiahy, ary resaka “Mafia” avo lenta avy hatrany no mby ao an-tsaina. Fandringanana tsotra izao no mety ho antony namonoana azy, fa mety manelingelina !

Sangany : Haingam-piasa ny mpitandro ny filaminana satria tsy nisy 24 ora akory taorian’ny nahafantarana sy nahitana ny vatana mangatsiakan’ny jeneraly Ramananarivo Claude sy ny vadiny ary ny zanany vavy tao an-trano fonenany eny Andohan’i Mandroseza ny alarobia 04 aprily 2012 dia hita ilay fiara Toyota RAV 4 very tao aminy. Tany amin’olon-tsotra ilay fiara. Milaza indray io fa novidiany tamina “miaramila” mpiana-draharaha ilay fiara. Vao mainka koa mampitombo ny ahiahy izany rehetra izany.

Mitohy moa ny fikarohana sy fanadihadiana ka dia ho hita eo ny marina. Fa lasa ihany ny saina aman’eritreritra manoloana izao trangan-javatra izao. Tsy olonolom-poana no tonga amina laharam-boninahitra jeneraly izany fa olona sangany, olomanga ! Ho an’ny jeneraly Ramananarivo Claude manokana dia tsy vitan’izay be galona indrindra teo anivon’ny zandarimariam-pirenena Malagasy izy, talohan’ny nandehanany nisotro ronono, fa nanankinan’ny fanjakana ara-dalàna andraikitra ambony teo amin’izany efi-draharaha izany. Komandin’ny zandarimariam-pirenena teo anelanelan’ny 2006-2008 ny jeneraly Ramananarivo Claude.

Nefa ve dia izao no nanaovana azy ? Etsy andaniny, i Andry Rajoelina manome baiko fa tsy maintsy miara-miasa ny zandary, miaramila ary polisy ary homena fitaovana hamerina ny fandriampahalemana. Etsy ankilany anefa toa vao mainka romotra ny jiolahy ; mandriaka ny ra ary fatiolona amin’izay lalovany. Tsy lavitra fa eto an-drenivohitra izany no mitranga. Porofo ny tetsy amin’ny 67ha, izay namonoan’ny jiolahy tsy nananan’izy ireo antra, vehivavy mpiasa an-trano iray, sy ity tetsy Andohan’i Mandroseza, ka namonoana tamin’ny fomba feno habibiana ny jeneraly Ramananarivo Claude telo mianaka ity. Mihantsy mpitandro filaminana ny jiolahy, sa ny tany mihitsy no tsy misy fanjakana ? I Andry Rajoelina rahateo efa mibabaka imasom-bahoaka fa misy ny “désobéissance” na tsy fankatoavana ny lehibe. Dia mba ho aiza moa izany ny Vahoaka tsy mandady harona ? Ny jeneraly izay manam-basy azony hiarovan-tena aza izao no manjo azy !

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT