Tsy misy fanjakana tan-dalàna mipetraka fa fikatsahana fanjakana tany tan-dalàna no tena misy manerana izao tontolo izao.
Ny filazana ny hoe tany tan-dalàna dia ambany lalàna daholo na ny mpitondra na ny entina, izany hoe tsy misy an`ilay maty manota. Antony nahatonga ny nametrahana ny Fitsarana an-tampony (HCJ) hahafahana mitsara ireo mpitondra fanjakana rehetra. Tokony hipetraka ny fampitoviana ny fampiharana ny lalàna na amin`ny mpitondra na ny entina. Ny firenena toa an`i Madagasikara dia mbola miavaka foana ny lalàna mpiaro ny mpitondra, mpiasam-panjakan ambony, miaramila, mpitsara… Ny olon-tsotra tsy mitovy ny lalàna ampiharina amin` ireny ka mba hanakaiky kokoa amin`izay tany tan-dalàna izay tokony hesorina ny fahefana ambony ho an`ny sasany dia ampitoviana daholo. Dimy taona tsy nisy hetahetam-bahoaka no tanterahin`ny governemanta tamin`izany satria ny hetahetan`ny antoko no natao. Nisy tolom-bahoaka tamin`ny hetsiky ny depiote 73. Ny fanatanterahana ny kabarin`ny filoha sy ny velirano no masaka ao an-dohan`ny mpitondra saingy tsy vitan`ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna fotsiny ny atao hoe vina. Ambentin-tenin`ireo mpanao politika matetika ny fanajana ny tany tan-dalàna, fampiharana ny rariny, ny fikatsahana ny marina ao anatin`ny fahaleovantenan`ny Fitsarana ary ny fanomezana ohatra tsara. Misolo ny rafitra mpanao lalàna ato anatin`ny efa-bolana mahery ny filoham-pirenena izay nomen`ny parlemantera roa tonta fahefana feno ka aoka mba kabary arahina asa hahitàna vokatra no hisy mandritra izany. Aoka hampiharina sy atomboka amin`izay miventy izany ireo hevitra tsara voalaza ireo satria natao ho an`ny rehetra tokoa izany fa tsy sanatria natao fitaovama entina manao teti-panorona.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.