Politique

Tany eny Antaninarenina Mandainga ny fanjakana


  • Alatsinainy 30 Janoary 2017

Nahabe resaka indray tato ho ato ny resaka tany mampifanolana ny minisitera eo anivon’ny prezidansa misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana (M2PATE) an-daniny sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ( CUA) an-kilany.

Hafahafa ny fandehan’ny resaka

Mahagaga sy mahavalalanina fa ny M2PATE dia nanome “titre  foncier” ho an’ny voalaza fa tompon’ny tany ary ny 29 desambra 2016 dia vita avokoa  ny taratasy rehetra. Ny 9 janoary 2017 tamin’ny alalan’ny sampana iray ao amin’ny minisitera eo anivon’ny prezidansa misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana antsoina hoe “SRATE”, dia nanome ny antsoina hoe “préscription d’urbanisme”   ho an’ny tompon’ny tany ny minisitera izay milaza fa 50%-n’ny faritra azo anorenana amin’ny fitsipka ankapobeny ihany no azo asiana fotodrafitrasa ary tsy tanteraky ny orana. Notsiandriana mazava ihany koa fa trano misy rihana iray ihany (R+1) no azo atsangana. Re anefa izao fa hotely goavambe mijoalajoala no kasaina haorina eo. Mipetraka ny fanontaniana hoe inona indray no nahatonga ny minisitera tantanan’i Narson Rafidimanana niova hevitra tampoka teo ? Sa tsy mitovy ny fijeriny sy ireo teknisianina manodidina azy no dia ny CUA sy ny ben’ny tanàna indray no anaovana resa-be sy hosoram-potaka an-gazety ? Nahoana ny zavatra efa tsy mety no lasa mety tampoka ? Manomboka mampitsangam-bolo ny vahoaka mpifidy eto an-drenivohitra ny fanosihoseana ny fandikan-dalana tahaka izao ka izay indrindra no mahatonga ny fanazavana sy filazana ny marina, hoy ireo teknisianina  mpiara-miasa akaiky amin’i Lalao Ravalomanana.

Vao tsy ela ihany koa no niresahana ny fotodrafitrasa izay natsangana eny amin’ny EPP Antanimbarinandriana izay re fa misy idiran'ny vadin’ny filoham-pirenena  ka nanaovana ambany maso tsy hita  ny fahefan’ny CUA izay sady tompon’ny tany no miahy ny EPP. Ny loza ankoatra izay dia nisy indray ny didim-pitondrana laharana  28195/2016 M2PATE MG DGATE/DVHPTE izay manala ny fahefan’ny ben’ny tanàna CUA mahakasika ny tany etsy Andohatapenaka izay hanorenana tobin-dasanty goavana. Inona daholo no dikan’izany zavatra rehetra izany ? Raha izao no mitohy, rehefa miova ny governemanta, dia sady minisitry ny tetikasan’ny filoha sy ny fanajariana ny tany ve izany no ho ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra i Narson Rafidimanana ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT