Tsy midika ho fiovan-kevitr’i Etazonia manoloana ny fitondrana tsy ara-dalana ny fahatongavan’ireo mpiasa roa eo anivon’ny Kongresy amerikana eto, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny masoivoho amerikana eto Madagasikara.
Voafetra ho amin’ny sehatry ny maha-olona ihany ny fanampian’ny Amerikana an’i Madagasikara ary nanidy “robinet”, tsy mikasa hanome tantsoroka ara-bola na ara-teknika ho an’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI mihitsy ny governemanta amerikanina, araka ny fanazavana ihany. Rantsana mahaleotena eo anivon’ny governemanta amerikana ny Kongresy.
Nandalo teto amintsika ireo mpiasa roa avy ao amin’ity rantsana ity hijery ifotony ireo olana isan-tsokajiny toy ny fahapotehan’ny ala, ny fahasimban’ny tontolo iainana, ny fijerena ny maha-olona sy ny fiantraikan’ny zavatra ataon’ny FAT izay niteraka ny fihatoan’ny AGOA. Tonga teto ireo olona ireo, raha ny vaovao ihany, ny 17 ka hatramin’ny 21 aogositra noho ny vaovao azony mikasika ny tatitra nampihoron-koditra momba ny resaka maha-olona, ny fanararaotana atao amin’ny zon’olombelona, ny tsy fahaiza-mitantana ara-toekarena. Nizaha ny zavatra ataon’ny FAT izay manakana ny ezaky ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalana ihany koa ireo iraka ireo. Tamin’izany no nihaonan’izy ireo tamin’ireo manam-pahaizana Malagasy, mpitantana orinasa sy andrim-panjakana nahitana ny fanamby hatrehin’ny Malagasy noho ny krizy politika sy hanazavana ny asa tokony hatao hiverenantsika amin’ny ara-dalàna.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.