Mampiaka-peo ny tantsahan’i Vakinankaratra izay malaza amin’ny famokarana sy fiompiana raha ny eto Madagasikara. Ny fiompiana anefa no manana olana amin’izao fotoana ka mampiaka-peo ireo mpiompy sy mivelona amin’izany.
Tsy fisintonana lakolosy intsony no ataon’ireo tantsaha fa antso avo amin’ny fitondram-panjakana izay kianin’izy ireo mafy. Tsy horesahina intsony ny fanangonana ny vokatra ronono izay misy fiantraikany amin’izy ireo ny fanakatonana ny AAA Tiko ny faran’ny herinandro lasa teo. Nambaran’izy ireo fa ny orinasa iray ao Antsirabe dia tsy mahazaka ny vokatra ronono misy ao Vakinankaratra akory, kanefa omen’ny fanjakana tombondahiny an-jambany. Ambaran’ireo tantsaha fa ny orinasam-bazaha manodina ny ronono dia sady mamilafila amin’ny habetsaky ny vokatra raisiny no miandry ny fandoavam-bola raha ampitahaina amin’ny AAA Tiko, izay efa mba niverina niasa ka tsy azoazon’izy ireo. Etsy an-daniny, resabe ary niteraka savorovoro ihany koa ny didim-pitondrana iraisan’ny minisitera 6, mitondra ny laharana 22.804 nivoaka ny 12 septambra 2017 lasa teo, izay mandrara vonjimaika ny fivezivezena sy famarotana ary ny famonoana ny omby vavy sy ny zanak’omby latsaky ny 18 volana. Ambaran’ireo tantsahan’i Vakinankaratra fa ny omby vavy no fametrahan’izy ireo ny volany. Niteraka savorovoro tanteraka teny amin’ny tsenan’omby tao Antsirabe ity resaka ity. Ilay andiany faha-4 milaza fa « tsy misy indrafo » mantsy no nampiakatra ireo tantsaha. Tamin’io fotoana io dia nisy ny olona notsaboina tao Andranomadio ary tokony hivoaka ny hopitaly fa niandry vidin’omby io sabotsy io saingy tsy azo namidy ilay omby kanefa dia iny no vola tokony ho nilaina amin’izany. Nitohy ny sabotsy 14 oktobra ny disadisa ary niantsoana mpanao gazety mihitsy nilazan’ny olona ny tarainany. Tsy afa-nanoatra moa ireo mpitandro ny filaminana sy ny tompon’andraiki-panjakana manoloana ny didy, ka zara raha nisy ny omby niakatra ny tsenan’omby tao Antsirabe ny sabotsy teo. Nanao farateny ireo mpiantsehatra amin’ity omby ity fa hifankahita tokoa satria ny 75%-n’ny mpifidy anie ka tantsaha e ! Raha tsiahivina, didim-pitondrana iraisan’ny minisitera eo anivon’ny prezidansa misahana ny fambolena sy fiompiana, ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka, ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana, ny minisiteran’ny fitaterana ny famantarana ny toetr’andro ary ny sekreteram-panjakana miadidy ny fiarovana ary ny zandarimariam-pirenena no niara-nanao sonia.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.