Politique

Tantely Andrianarivo Manoman-tena ho filoha ?


  • Talata 29 Novambra 2011

Mitohy hatrany ny fitsidiham-paritra ataon’Atoa Tantely Andrianarivo.

 Ny faran’ny herinandro teo izy dia tao Fianarantsoa tampon-tanàna. Tsy nikabary sy niresaka tamin’ny olona tany an-toerana fotsiny fa nanolotra solosaina ho an’ny Lycée Herivelo Ramamonjy ihany koa, amin’ny maha ray mpiahy azy ity Lycée ity. Hatramin’ny volana oktobra 2010 nahatongavany teto Madagasikara, rehefa nanao sesitany ny tenany nandritra ny enin-taona tany ivelany tany, dia toerana sy faritra maro manerana ny nosy no efa notsidihan’ity praiminisitra farany nandritra ny fitondran’ny amiraly Ratsiraka ity. Tombantombana avokoa moa ny an’ny rehetra tamin’izany fotoana hoe : manomana ny fiverenan’ny amiraly izy no sady manadihady ny tanjaky ny Arema eto Madagasikara.

Telo herinandro lasa anefa izay dia nivaky tamin’ny mpanao gazety Atoa tantely Andrianarivo fa mety ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany. Tena mandainga aho, hoy izy raha hiteny fa tsy nieritreritra izany mihitsy. Efa tafody soa aman-tsara an-tanindrazana ny filoha Ratsiraka sy ny fianakaviany, izany hoe tanteraka ny asa iray anisan’ny goavana iandraiketan’ity praiminisitra teo aloha ity. Raha ny fahitana ny fihetsiketsehana amin’izao fotoana dia azo antoka fa izy no hokandidan’ny Arema amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo ary efa ao anatin’ny propagandy mialoha ny fotoana mihitsy izy ankehitriny ary manana tombony amin’ireo rehetra mety hfaninana aminy. Raha eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana indray dia azo ambara hoe ampy ny traikefany, satria efa minisitry ny indostria sy ny harena ankibon’ny tany izy tamin’ny Repoblika faharoa, ary praiminisitra no sady minisitra nisahana ny vola tamin’ny Repoblika fahatelo fony naha filoha an’Atoa Didier Ratsiraka (1998 – 2002).

Izy koa dia anisan’ireo Malagasy azo atao hoe tsara fifandraisana amin’ny mpamatsy vola mahazatra dia ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pienena izany ary efa niasa tamin’ireo sampandraharaha ireo. Noho izany rehetra izany dia tsy tokony ho sarotra aminy ny hamerina ny fahatokisan’ny mpamatsy vola amin’ny firenena malagasy. Manampahaizana no sady teknisianina ihany koa ny tenany satria nandranto fianarana tany amin’ny Ecole Polytechnique de Paris sy tao amin’ny HEC (Hautes Etudes Commerciales) Paris ihany koa. Anisan’ireo olona tena atokisan’ny amiraly Ratsiraka izy, ary azo antoka fa izy irery hatramin’izao no afaka hiaro ny voninahitry ny antoko Arema amin’ny fifidianana filoham-pirenena, ary afaka mifampitana tsara ihany koa amin’ireo mety ho kandida hafa, tahaka ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina, Atoa Roland Ratsiraka na Pierrot Rajaonarivelo. Mety tombony kely ho an’i Tantely Andrianaivo ihany koa ny maha Betsileo azy, satria hatramin’izay dia tsy mbola nisy mihitsy ny zanak’iny faritra iny nitana ny andraikitry ny filohan’ny Repoblika.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT