Politique

Tanora TIM Vakinankaratra Manohana an’i Omer Beriziky


  • Alatsinainy 21 Novambra 2011

Mendrika ary matotra ny fanapahan-kevitra noraisin’Atoa Omer Beriziky amin’ny fiandrasana ny hevitry ny mpanohitra tamin’ny tsy naharaikitra ny fananganana ny Governemanta iraisana ny 17 novambra lasa teo.

 Mazava, hoy Atoa Selitiana filohan’ny tanora TIM Antanifotsy nitondra ny tenin’ireo tanora TIM Vakinankaratra fa izay no voalazan’ny tondrozotra dia ny “Governemantan’ny firaisam-pirenena mifandanja sy araka ny rariny sy hitsiny”. Rehefa tsy ankatoavin’ny mpanohitra io dia mazava fa mandeha ila indray ka tsy hahazo izay fankatoavana tadiavin-dRajoelina mihitsy na dia hita aza fa izay no tena mahamaika azy. Iaraha-mahita, hoy ity mpitarika avy any Antanifotsy ity fa tsy manam-bola intsony ny FAT ka ny Ankolafy telo no tadiaviny hatao jono ahazoana vola avy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fidirana ao anatin’ity Governemanta ity saingy ho diso kajy i Andry Rajoelina fa mety hiafara amin’ny fanesorana azy ao anatin’izao tetezamita iraisana izao io heviny io raha toa ka miziriziry eo izy.

Nohamafisin’ireto Tanora TIM ireto fa tsy nitsipaka an’Ingahy Beriziky ry zareo nefa kosa tsy nankato ny fomba nanendrena azy. Raha izao fiasany izao kosa dia nilaza izy ireo fa afaka miara-miasa tsara aminy. Nolazainy fa ilaina ny fifandanjan-kery ao anatin’ny fiaraha-mitantana raha toa ka tiana ny hialan’i Madagasikara ao anatin’izao krizy novolen’ny FAT izao ka tompon’antoka tanteraka Rajoelina sy olony amin’izay fikatsoana ataony amin’izao ezaka efa miroso izao. Matoky hatrany ireo mpitarika ary mankahery azy ireo, indrindra moa fa ny filoha Ravalomanana moa ireto tanora ireto ary nankahery azy amin’ny ezaka ataony any ivelany amin’ny fivoahana amin’izao olan’ny firenena izao.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT