Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny tanora antoko Tiako I Madagasikara ao Mahajanga ny fanampiana ara-tsosialy ny mpiarabelona.
Nanao hetsika fanomezan-dra maimaimpoana ho an’ireo tsy salama tsaboina ao amin’ny hopitalibe Androva izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Ireo tanora TIM avy amin’ireo fokontany 26 ao Mahajanga no tonga tamin’izany. Hitohy amin’ity faran’ny taona ity ny hetsika hataon’izy ireo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.