Politique

Tanora TIM Antanifotsy Ao amin’ny heriny tanteraka


  • Talata 13 Septambra 2011

Niverina amin’ny heriny tanteraka ny Antoko TIM, indrindra fa ny Tanora TIM ao amin’ny Distrikan’Antanifotsy raha ny resaka nifanaovana tamin’Atoa Rasolonjanahary Selitiana filohan’ny Tanora TIM distrikan’Antanifotsy.

 Raha ny vaovao nampitainy nandritra ny hetsiky ny tanora tao amin’ny Magro Avaratsena ny sabotsy 10 septambra teo dia efa voafidy avokoa ireo mpitarika isaky ny Fokontany manerana ireo Kaominina miisa 12 mandrafitra ny Distrika ka efa an-dalana amin’ny fametrahana ireo rafitra samihafa eny anivon’ny Kaominina sy ny Distrika indray ry zareo amin’izao fotoana. Nanamarika ity mpitarika ity fa tsy maty na natory ny TIM ao Antanifotsy fa niseho hatrany isaky ny misy hetsika ary amin’izao fotoana dia efa miomana sahady amin’ny fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana ary efa mandry tanteraka ny paika hampandaniana azy amin’ny fifidianana ho avy eo. Notsindrian’Atoa Selitiana moa fa izy ireo dia TIM miaraka amin’ny filoha Marc Ravalomanana fa tsy miaraka amin-dry Raharinaivo velively ary notsipihiny fa raha ireny olona ireny no tonga any dia ho sahirana. Ho azy ireo dia ny tondrozotra farany tany Sandton ihany no vahaolana hivoahan’ny Malagasy amin’izao krizy izao ary tokony hiaiky ny FAT fa diso ka hanasonia io tondrozotra io ary hifona amin’ny Malagasy noho ny fambolena krizy teto Madagasikara. Ho azy ireo moa ao Antanifotsy dia sioka tokana fotsiny dia efa vonona na ny fiara na ny olona ho amin’ny fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana, amin’ny fiverenan’ity farany an-tanindrazana, ary efa mipetraka ihany koa ireo komity samihafa amin’ny izay fifidianana eken’ny rehetra ka andraisan’ny TIM anjara, indrindra fa ny fifidianana filoham-pirenena

 

Caïus R.

 

Sary : Rasolonjanahary Selitiana filohan’ny Tanora TIM, Distrikan’Antanifotsy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT