Politique

Tanora mpikarakara hetsika eny ambany tanŕna Tsara petrapetraky ny mpanao politika indray


  • Alatsinainy 25 Febroary 2013

Nampidirin’ny mpanao politika amin’ny kizo sahady ny tanora eny ambany tanŕna.

 Voatazona any amin’ny biraon’ny polisy hatramin’ny faran’ny herinandro teo ireo tanora nikarakara ny fifaninanana baolina lavalava notontosaina tao amin’ny kianja Malacam, herinandro lasa izay. Tsy naloan’ilay mpanao politika ny vidin’omby telo, mitentina 8 hetsy sy 3 tapitrisa Ariary nasaina notrosain’ny mpikarakara tamin’ny mpamongady teny Anosizato ka nitorian’ny tompon’omby azy ireo tany amin’ny manampahefana. Mbola nisy fitoriana nataon’ireo fileovana resy tamin’ny famaranana ary tokony hahazo lelavola 2 hetsy Ariary tsirairay avy an’ireto mpikarakara ireto koa anefa any amin’ny polisy satria tsy nisy azo ireo vola nifanarahana. Manginy fotsiny ny trosa madinidinika mbola manaraka ireto mpikarakara fifaninanana ireto satria nialan’ilay mpanao politika niantoka ny lalao avokoa ny karaman’ny olona rehetra niasa tamin’ny fanatontosana iny fifaninanana iny. Niala maina ireto tanora saika haka tombony ireto. Nasain’ilay mpanao politika nividianana omby fanampiny koa mantsy ny vola maty ny androtr’io fa hoe haloa miaraka daholo. Voalaza mazava anaty taratasy fifanarahana mialoha avokoa anefa ireo fandaniana ireo, araka ny fanazavan’ireto tanora voafitaka ireto, fa tsy hita ary tsy mandray telefaonina mihitsy ilay mpanao politika. Indrisy !

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT