Tanora MDM

> Misaritaka sahady ny ao Antsirabe


  • Talata 27 Aogositra 2013

Niala an-daharana ny lisitra fiandry faharoa ao amin’ny kandidàn’ny Tanora MDM izay hifaninana ho solombavambahoaka ao Antsirabe I.

Ny 10 aogositra teo izy no nametra-pialana, noho ny filazany fa tsy mifanaraka tamin’izay nifanarahana ny antoko. Ny 13 aogositra dia nahazo ny fankatoavan’ny foiben’ny antoko ny fialany ka nanendry avy hatrany ny mpisolo toerana azy. Tsy nipetraka teo anefa ity nametra-pialana fa dia nanomana fivoriana hafa indray ny tenany. Nitaona ireo mpikambana sasany namany izy ary nifamotoana tao amin’ny hotely Diantana ny alahady 25 aogositra teo. Voalaza fa fifidianana izay ho kandidà Ben’ny tanàna indray no lahadinika ka voafidin’ireo mpikambana 150 nanatrika izany indray izy. Raha nanontanina ny momba ity fivoriana ity moa ny mpitantana ny MDM ao Antsirabe dia nilaza ho tsy mbola manan-kolazaina satria tsy misy ny toromarika amin’izany fifidianana kandidà ho Ben’ny tanàna izany hatreto.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT