Miandrandra fifidianana mafy ny vahoaka hivoahana amin’ny krizy, hoy Rtoa Ramanantenasoa Nalitiana, mpitarika ny Tanora MDM raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tenany amin’izao ankatoky ny fiafaran’ny fampielezan-kevitra izao. Izay no fangatan’ny vahoaka mifanerasera amin’izy ireo nandritra izay fampielezan-kevitra izay, hoy izy. Nilaza izy fa nizotra tsara ny fampielezan-kevitra nataon’izy ireo ho fampandaniana ny kandidà laharana faha-28 na i Tonton Sôla izany. Diabe mitety ny tananan’Antsirabe no hamaranan’izy ireo ny hetsika anio. Manahy ny fahadiovan’ny fifidianana ny tenany saingy mino ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana ny amin’izany.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.