Manan-kambara manoloana ny fahasarotan’ny fananganana ny governemantan’ny firaisam-pirenena ny Tanora mivondrona ao amin’ny Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na JMDM.
Mahatsikaritra izy ireo fa misy ny fanitsakitsahana ny tondrozotra ataon’ny ankolafy mpanohitra. Nambaran’i Amable André, mpitondra teny fa efa nalevina niaraka amin’ny fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba ny resaka firehana na ankolafy izay tadiavin’ny mpanohitra ampiharina. “Mazava ny voalaza ao amin’ny savaranonandon’ny tondrozotra fa ny vondrona politika no mpandray anjara fa tsy izany firehana izany intsony”. Melohin’ny JMDM koa ny fikatsahana fizarana seza 50% avy ho an’ny mpanohana ny fitondrana sy ny mpanohitra araka ny takian’ireto farany. Ny tanora MDM anefa dia manamafy fa atao ara-drariny ny fizarana toerana araka ny andininy faha-6 ao amin’ny tondrozotra sy ny andininy faha-23 izay milaza fa tsy misy afaka manao sakana tsy azo ivalozana ny mpanao politika manoloana ny fampiharana ny tondrozotra, izany hoe tsy misy manana alalana hitaky ministera izatsy na izaroa satria fahefan’ny filohan’ny FAT sy ny Praiminisitra irery izany. Miantso ireo vondrona fiarahamonim-pirenena voatondro hanara-maso ny fampiharana ny tondrozotra ny JMDM handray ny andraikiny. Momba ny fiverenan’ny amiraly Ratsiraka an-tanindrazana dia nanambara i Amable André fa teratany Malagasy sady ray aman-dreny nahavita be teto amin’ny firenena izy ka mahazo miditra malalaka an-tanindrazany. Izay rahateo no voalazan’ilay andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra, hoy izy. Na izany aza dia “tsy tokony handrava ny dingana efa natao na koa hampisafoto ny efa milamina izy”, raha ny nambarany hatrany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.