Politique

Tanora legalista Hanao hetsika goavana ao Antsirabe


  • Zoma 09 Septambra 2011


 Hampiseho ny heriny indray ireo Tanora Legalista ao Antsirabe izay mivondrona ao amin’ilay “Movements des Jeunes Légalistes” Vakinankaratra rahampitso sabotsy 10 septambra, araka ny tafa nifanaovana tamin’ireo mpitarika azy. Hiavaka tanteraka mihitsy ny hetsika ao amin’ny Magro Avaratsena, hoy ihany ireo mpitarika satria ezahina ho vory lanona eo avokoa ireo fikambanana samihafa mpandala ny ara-dalàna ka ny tanora no handrindra ny hetsika sy ny fanentanana amin’io andro io. Fantatra fa mivondrona ao anatin’ity Vondron’ny tanora ity avokoa ireo fikambanana tanora samihafa mpanohana ny filoha Marc Ravalomanana ary tsy manaiky izao fitondrana izao ka hanaporofo sy hampahafantatra ireo mpitolona rehetra fa tsy misy misabaka izany ireo tanora ary tsy mahalala afa tsy ireo mpitarika ao amin’ny Magro ihany na ao Antsirabe na eto Antananarivo ry zareo. Sabotsy mifankahita izany !

 

Caïus R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT