Politique

Tanora Antsirabe Miomana tanteraka hitsena an-dRavalomanana


  • Alakamisy 01 Desambra 2011

Vonona ary efa miomana tanteraka ireo tanora legalista mivondrona ao amin’ny «Hetsiky ny Tanora Vakinankaratra», amin’izao fotoana izao amin’ny fitsenana ny filoha Ravalomanana.

 Nanamarika mihitsy ireo mpitarika ahitana an’i Pôta sy Zo ary Léonard fa na andro na alina dia efa miomana tanteraka amin’izany izy ireo. Notsipihiny fa tsy ny fitsenana ihany no homanina amin’izao fotoana fa eo indrindra koa ny fiarovana ity filoha ity eto Madagasikara any amin’izay toerana mety hipetrahany. Ireto tanora ireto moa dia mbola nanamafy ny fitakiana ny hampiharana ara-bakiteny hatrany ny voalazan’ny tondrozotra ka tsy tokony hisy intsony ny filam-baniny atao amin’ireo mpomba ny filoha. Mety hitarika ny tsy filaminana eto Madagasikara mantsy izany. Nolazain’izy ireo fa tsy ny Hetsiky ny tanora mihitsy no tafiditry ny mpomba ny FAT amin’izao vela-pandrika ataony izao ka hikendrena hisamborana ireo mpitarika indray hoe lazaina mitarika korontana. Mankahery hatrany ny filoha Marc Ravalomanana ireto tanora ireto ary miantso azy hatrany hanoy ny tolona ataony any ampita any fa ny tanora koa tsy miala ao Vakinankaratra.
Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT