Tena tsy mihaino ny vahoaka Malagasy mihitsy ity fitondrana misy ankehitriny tantanan’Atoa Hery Rajaonarimampianina ity,
hoy ny tangalamena avy any Andevoranto Brickaville, Zakariasy Patrick. Ary rehefa fitondrana no tsy mihaino vahoaka, hoy izy, dia tsy mendrika hitondra vahoaka ka tsy mikatsaka ny tombontsoam-bahoaka izy ireo fa ny tombontsoa ambonin-dry zareo ihany no himasoany tovonana avo. Misavorovoro, araka izany, no misy eto amin’ity firenena ity ary mirona mankany amin’ny didy jadona. Tsy hisy anefa ny fifandimbiasam-pitondrana demokratika raha tsy misy fanovan-drafitra matotra eto amin’ny firenena, hoy hatrany ity Tangalamena ity. Be ny zavatra tsy mety, hoy izy, be ny fandaniam-bola be fahatany, be ny halatra bevava ary be ny tsy fandraisana andraikitry ny mpitondra ka manjaka ny kolikoly avo lenta sy madinidinika. Efa ela izahay no nitaraina, hoy i Zakariasy Patrick, fa mirefy 8 000 ha ny tany lasan’ny teratany karana any Andevoranto misy anay fa tsy nisy nihaino. Izao, hoy izy, miitatra hatraty Soamahaminina afovoantany ny raharaha fibodoan’ny vahiny ny tanin’ny Malagasy. Hatramin’izao, efa ho 6 ka hatramin’ny 8 volana no nahalany ireo Ben’ny tanàna vaovao, tsy mbola nandray ny vola fanampiana azy ny any amin’ny kaominina Andevoranto any ka tena mijaly mihitsy.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.