Manjavozavo tanteraka ny lalan-komban’ny firenena ankehitriny. Tsy fantatry ny olona intsony izay tena tian’ny fitondram-panjakana atao, maivana be ny serasera momba ilay fandaharanasa ankapoben’ny fitondram-panjakana. Vao miha nanamaloka izany ny famakiana ady nataon’ny mpitondra tamin’ny mpanao gazety
Ho hita eo moa izay mety ho vokatry ny fihaonan’ny praiminisitra Kolo Roger sy ireo tompona orinasan-tserasera eto amintsika anio. Ny zava-misy aloha dia ratsy ny fifandraisana eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny mpanao gazety. Hisy akony ratsy amin’ny asa ataon’ny mpitondra izany satria ho mafy kokoa ny fanakianana hahazo azy ireo raha tsy averina indray angaha ny sivana, tahaka ny nisy tamin’ny repoblika faharoa. Mivandravandra be izao fa nitombo isa ny haino aman-jery tsy miankina sy ny gazety an-tsoratra masiaka amin’ny mpitondra ary tena manara-maso akaiky ny ataon’ireo manampahefana. Tsikaritra rahateo fa mikaviavia amin’ny resaka serasera ny mpitondra amin’izao fotoana ary matetika manondrana na mamoaka teny tsy voahevitra tahaka ny hoe « hodorana ny boaderozy simba na lo » sy ny hoe : « tsy maintsy faizina ny mpanao gazety manao ny tsy mety mba atao ohatra hampieritreritra ny hafa… ». Maro ny olona mahatsapa fa mirona tsimoramora any amin’ny fitondrana jadona te hifehy ny zava-drehetra isika eto Madagasikara. Tiana hofehezina ny resaka serasera sy fampitam-baovao, alamin’ny mpitondra araka izay mahamety azy ny resaka fitsinjaram-pahefana mba hahafahany mametraka ny olony sy mifehy ny faritra rehetra, karakaraina sy tambatambazana fatratra ny foloalindahy izay miofo tsikelikely ho manda fiarovana ny mpitondra. Ny mpanao politika moa mora ampanginina rehefa mitobaka ny vola. Resaka no betsaka fa tsy hita akory izay fepetra hentitra noraisina ho an’ireo mpandripaka ny harem-pirenena ka manao ny trafikana boaderozy na dia efa fantatra tsara izao aza ny anaran’ireo olona ireo sy ny toerana misy azy. Tsy manana solombavambahoaka ny antokon’ny fitondrana kanefa dia tohanan’ny maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena, ary afaka manao izay tiany sy mampandany ny volavolan-dalàna mety aminy.Ka tsy efa tena firosoana tsimoramora mankany amin’ny fitondrana jadona ve izany ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.