Politique

Tanànan’Andranofeno Atsimo Nizarana fitaovana ahazoana herinaratra


  • Zoma 09 Febroary 2018

Natomboka omaly 8 febroary tao Andranofeno Atsimo, ny tetikasa Mijiro izay fanomezana herinaratra amin'ny alalan'ny angovo azo havaozina miainga amin’ny herin'ny masoandro. Notolorana “Kit solaire”

na fitaovana ahazoana herinaratra sy hazavana miaraka ny tokantrano rehetra tao Andranofeno Atsimo ary nampiarahana amina kojakoja vitsivitsy miaraka amin’izy ireo. Fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina na 3P ity tetikasa ity, ka nanampy betsaka tamin’izany ny orinasa Orange Madagascar. Niara-nanolotra izany tamin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ireo mpikambana maromaro ao amin’ny governemanta, ary olom-panjakana sy manampahefana maro tany an-toerana ny Filoha Tale Jeneralin’ny Orange Middle East and Africa Bruno Mettling. Tsara ny manamarika sy mampahatsiahy fa zara raha mahatratra 15% amin’ny Malagasy no misitraka herinaratra ankehitriny, ary ny 5% monja amin’io no eny Ambanivohitra. Nambaran’ny filoham-pirenena ary fa vinan’ny fanjakana ny hanafainganana ny fametrahana ny herinaratra eny ambanivohitra amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fitrandrahana ny angovo azo havaozina, ary fanamby goavan’ny governemanta mihitsy izany. Nilaza kosa ny Filoha Tale Jeneralin’ny Orange Bruno Melting, fa mipetraka ho mpiara-miombon’antoka ara-strajejika amin’ny fanovana sy fampandrosoana lehibe eto Madagasikara ity orinasa ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT