Politique

Tanŕnan’Antsirabe Azo anaovana hetsika politika indray ?


  • Alatsinainy 22 Jolay 2013

Ny vola ve no mibaiko ny mpitantana ny tanŕnan’Antsirabe sa misy ny tsindry avy any ambony fa dia azo nanaovana hetsika ara-politika indray tao an-tanŕnan’Antsirabe ny sabotsy 20 jolay lasa teo ary an-kalamanjana izany.

Io faran’ny herinandro io tokoa moa dia nanao ilay hetsika goavana nantsoina hoe : «Lanonambe miaraka amin’ny Fanahy ny Maha olona» ny mpomba ny kandida Ny Rado Rafalimanana, ka tao amin’ny kianjan’i Tsarasaotra Antsirabe no nanaovana ny hetsika. Mpanakanto maro no nasaina nanafana izany io sabotsy io nanomboka tamin’ny 9 maraina ka lohalisitra amin’ireo peta-drindrina ny mpihira Rnb malaza Marion. Ankoatra azy dia tao ireo mpanakanto nivoaka tamin’ilay fifaninanana «kopi kolé» teto Antananarivo ary mpihiragasy avy ao an-toerana.

Nialoha ny hetsika tao Tsarasaotra dia nisy fihodidinana ny tanàna, izay nolazain’ny mpikarakara ho «démonstration de Force», nataon’ireo delegasiona niaraka tamin’ity kandidà ity izay nitondra itony karazana moto goavambe itony efa ho 20 tany ho any, niampy ireny karazana fiara 4x4 goavambe «Hummer» ireny, nisy maromaro ihany koa. Taorian’ny fandraisan’ny kandidà fitenenana tao an-kianja moa ny tolakandro dia nisy indray ny fandraketana an-tsary ny fandaharana manokana an’ny fahitalavitra TV Plus tao amin’ny Hôtel des Thermes, Antsirabe nataon’i Ny Rado Rafalimanana notronin’ireo mpomba azy. Ny mampametra-panontaniana dia lazain’ny tompon’andraiki-panjakana ao Antsirabe I fa tsy azo anaovana hetsika mifono politika mihitsy ao Antsirabe n’inona n’inona endriny. Vokatr’io dia tsy nahazo fahazoan-dalana nanao ny «Fihavanana Tour» i Roland Ratsiraka tamin’izany.

Taorian’izay dia tsy nahazo nankalaza ny faha-20 taona nijoroany ihany koa ny Antoko Leader Fanilo na dia efa voafandrika aza ny Kianjan’i Tsarasaotra tamin’izay fotoana izay. Nasaina nikisaka tao amin’ny kianjan’i Ivohitra ny MDM raha nanao ilay hetsika ara-kolotoraly nataony niaraka tamin’ny mpanao vakodrazana na dia nangataka ny kianjan’ny kolontsaina aza tamin’izany. “Dia gaga elah !”, hoy ny fitenenana nahita ny kandidà Ny Rado Rafalimanana nanao ity hetsika ity. Ankoatra izay dia afaka naka mpitandro filaminana mihitsy ny tenany nanampy ireo tanora izay nisahana filaminana tamin’io fotoana io.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT