Politique

Tanà Shooters BasketBall Nahatontosa fambolen-kazo andiany faha-3


  • Alatsinainy 11 Martsa 2019

Ankizy mpianatra basikety avy ao amin’ny Tanà Shooters BasketBall niaraka tamin’ireo “Coach” ao aminy sy ray aman-dreny vitsivitsy no nanatanteraka ny fambolen-kazo 2019 teny Mahajija ambanin’Anosivola eny Mahitsy tamin’ny sabotsy 09 martsa 2019 teo.

 

Andiany faha-3 amin’ny fambolen-kazo  fanaon’izy ireo isan-taona tao anatin’izay 3 taona mahery kely niorenan’izay ity natao ity. Zanakazo “eucalyptus” sy “acacia” nahatratra 600 isa no voatsatok’izy ireo tamin’izany. Tafiditra indrindra eo amin’ny fanabeazana  ireo kilonga amin’ny adidy masina eto amin’ny firenena sy ho fikajiana ny tontolo iainana ihany koa izao hetsika izao, hoy ny filohan’ny TSBB Ramahenina Patrick na Coco. Nampiarahanay tamin’ny fizarana marim-pakasitraha hoan’ireo mpilalo afa-panadinana ofisialy tamin’ny 2018 izany (Cepe, Bepc ary Bacc) mba hamporisihana amin’ireo kilonga fa tsy azo atao an-tsirambina ny fianarana na dia manao basikety aza fa mifameno tsara ireo. Marihana fa ahitana mpilalao lahy sy vavy eo amin’ny 250 eo ankehitriny ao amin’ny TSBB (U 10, U12,  14, U16 , U 18 ary U 20).

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT