Mitentina 2.575 lavitrisa Ariary na 650 tapitrisa Euros eo, izay manome antsasaky ny fitambaran’ny tetibolam-panjakana taona 2019 ny vola ilaina amin’ny tetikasa Tanà-Masoandro.
Ny fanotorana tany no tena mahamaika ny fitondram-panjakana. Ahoana ny loharano sy fombafomba mikasika ny famatsiam-bola ? Vola tokony haverin’ny taranaka faramandimby misesy ve ? Amin’ny endriny inona raha toa ka notrosaina araka ny mety ho fisehony ? Ny 26 jolay 2019, dia nisy mpiandraikitra nilaza fa « mpampiasa vola 21 no efa nilaza fa handray anjara». 370Ha no nambara fa hatao, ary lasa 100Ha indray ankehitriny; ny 20 septambra, dia nisy andiana sinoa nitsirika ary nolazaina fa vonona amin’ny fiaraha-miasa hanatanterahana ny Tanà-masoandro. Aty amin’ny 8 oktobra, dia nilaza ny minisitry ny fanajariana tany Atoa Hajo Andrianainarivelo fa tafiditra ao anatin’ny famatsiam-bolan’ny tetikasa TaTom iarahana amin’ny Japoney indray io. Ny tetikasa ataon’izy ireo, izay efa vita fanadihadiana tany aloha niarahana tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina ka asa na nasisika tao ny Tanà-Masoandro na ahoana? Misy ifandraisany amin’ny Frantsay sy tambiny amin’ny Nosy Eparsa ihany koa ve io ? Raha fiaraha-miasa amin’ny Vondrona Eoropeanina, dia tapitra miaraka amin’ny « Accord de Cotonou », ary mila havaozina indray, izay tsy vita ao anatin’ny fotoana haingana. Nambara fa efa vonona ny mpamatsy vola saingy tena hafahafa ny toe-draharaha, ary tsy tongotonga ho azy ny resaka fananganan’ny Filoha « fondation », izay ambara fa hahafahana manao tetikasa maro, toy ny oniversite IEM raha toa ka nambara ny 28 aprily nandritra ilay tatitry ny 100 andro nitondrana fa hofoanana ny antenimierandoholona ka ny vola avy amin’io no hananganana « Université spécialisés » isaky ny faritra. Zavatra roa samy hafa ve ilay resaka oniversite sa ahoana ? Tsy misy làlam-bola mazava ka mampanahy tanteraka ny resaka famarotan-tanindrazana ao anatin’ny raharaha Tanà-Masoandro na koa ireo tetikasa hafa aza satria tsiahivina hatrany fa ny 3 novambra 2018 Atoa Andry Rajoelina dia nilaza ampahibemaso fa hivarotra tany. 100ha ohatra, dia hahavita tetikasa lehibe, raha ny nambarany. Tamin’ny fampielezan-kevitra ny fifidianana fihodinana faharoa ihany anefa no nilazana fa « tsy haka ny tanin’ny Malagasy na oviana na oviana ». Hanome aza no nolazaina, ka nilazana tany Alaotra fa homena 10Ha avy ny tanora tsy an’asa. Hafahafa ny fandehan-javatra!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.