Politique

Tanà-masoandro 301 ny fifanekena fifampivarotana tany hatreto


  • Alatsinainy 16 Desambra 2019

40 andro izay no nisokatra ho an'ny rehetra voakasiky ny tetikasa Tanà-Masoandro ny birao manokana handraisana an-tanàna ireo tompon-tany sy tompon-trano, natao :

 

 

 hanamarinana na tafiditra ao anatin'ny tetikasa na tsia, sy ny dingana mifandraika amin'izany; hamaritana ny tany na ny trano amin'ny plan parcellaire; hanaovana sonia fifanekena fifampivarotana ho an'ireo tompon-tany vonona hiroso amin'izany; hanolorana sy hanazavana ireo tan-tsoroka atolotry ny Fanjakana amin'ny alalan'ireo Ministera isan-tsokajiny izay hanaovana laharam-pahamehana ireo olona voakasiky ny tetikasa ireo, ambonin'ny fanonerana izay homena azy ireo. Hitohy hisokatra ho an'ny dingana manaraka rehetra ity birao manokana ity ka amin'ny fanonerana ara-bola dia hisy ny fanamorana ny fikarakarana ny taratasy ara-panjakana rehetra ilaina ary indrindra ny fandoavana ny vola mandritry ny fotoana hoferana manokana ho amin'izany. Tombon-tany 1351 no nanantona, 972 no voakasiky ny tetikasa, 157 no voakasiky ny dingana voalohany, 815 tafiditra amin’ny dingana manaraka, 301 ny fifanekena fifampivarontana (promesse de vente), araka ny tatitra ofisialy voaray.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT