Politique

Tamin’ity fitondrana ity Nandriaka ny ra, nirongatra ny fitsaram-bahoaka


  • Zoma 30 Desambra 2016

Hivalona afaka 24 ora ny taona 2016. Nifamahofaho ny zavatra tsara sy ny ratsy. Samy nanana ny tombana sy ny fomba fijeriny ny isam-batan’olona. Raha mikasika ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-piarahamonina kosa dia azo sokajiana ho taona mainty ho an’ny Malagasy ity taona ity.

Hivalona afaka 24 ora ny taona 2016. Nifamahofaho ny zavatra tsara sy ny ratsy. Samy nanana ny tombana sy ny fomba fijeriny ny isam-batan’olona. Raha mikasika ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-piarahamonina kosa dia azo sokajiana ho taona mainty ho an’ny Malagasy ity taona ity. Ankoatra ny fahasarotam-piainana efa zary raiki-tapisaka dia nanamarika ity taona ity ny ra mandriaka, hain-trano sy ny fitsaram-bahoaka.

Lozam-pifamoivoizana sy ra mandriaka

Nahatratra 10 isan’andro ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika, fa ny nampihoron-koditra dia ilay teny amin’ny lalana « Digue » vokatry ny fifandonan’ny taksiben’Ambohidratrimo sy ny taksiben’Ambohitrimanjaka ny 29 aprily izay namoizana ain’olona miisa 8. Ora vitsy taorian’izay, olona miisa 9 ihany koa no maty vokatry ny loza nateraky ny « Sprinter" teny Andohamasina Mahitsy. Mpampianatra sy mpianatra tamina sekoly tsy miankina iray eto an-drenivohitra no lasibatra tamin’io. Olona miisa 31 no namoy ny ainy tany Ankazoabo ny 21 jona, vokatry ny fanafihan’ny dahalo ny taksibrosy iray, izay nandositra ny tifitra variraraka, kinanjo lasa tany an-kady. Nandriaka ny ra teny Mahamasina ny takarivan’ny 26 jona, ka olona 3 maty ary 84 hafa naratra ary tsy mbola hita ny marina sy tompon’antoka mandrak’ankehitriny.

Hain-trano nahatsiravina

Araka ny tarehimarika nivoaka ny volana oktobra dia nahatratra 48 no namoy no ny ainy vokatry ny hain-trano nanomboka ny volana janoary ankoatra ireo tsy heno sy tsy fantatra. Ampahany ihany no hotaterina eto, anisan’ireny ny fahamaizan’ny tanànan’Andovosira Mananjary ny 30 oktobra. May kila forehitra ny tanànan'i Bevilany Maevatanàna ka trano tokony ho 40 tafo no may ny fiandohan’ny volana oktobra. Vao tsy ela ihany koa ny tany Mananjary. Nampivarahontsana koa ny tany Ikalamavony ny 22 jolay, izay namoizana ain’olona 38 be izao. Lanonam-pianakaviana no natao kanefa faty mikararana no niafarany. Nampihoronkoditra ihany koa ny teny Ankasina ny 26 oktobra, ka olona 8 no namoy ny ainy. Renim-pianakaviana 1 matin’ny hain-trano teny Ambanidia ny 24 novambra ...

Fitsaram-bahoaka

Mila ho isan’andro no nandrenesana fitsaram-bahoaka teto amintsika, indrindra fa tamin’ny tapany faharoan’ny taona 2016. Marobe izy ireny fa nisongadina ny tany Mananjary nandoran’ny olona ilay ramatoa iray voalaza fa nanipy henan-kisoa tao amina Valabe, tranon’ny Mpanjaka, ka nodoran’ny olona tamin’ny fomba feno habibiana. Dahalo miisa 11 ihany koa no matin’ny fokonolona ary nodorany ny fatiny ny fiandohan’ny volana novambra. Toerana maro no nahitana izany. Ampahany ny fahafatesana olona 2 tany Bevontro Sambava, 2 tany Ankazomiriotra, 2 tany Befandriana avaratra... Anisan’ny nalaza ihany koa ny korontana tany Mampikony, izay nandoran’ny olona ny tobin’ny zandary noho ny resaka fikasana hanao fitsaram-bahoaka ihany koa.

Nangonin’i Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT