Politique

Tambabelo Mandaso dit Marin Melohinay ireny fihetsika feno habibiana ireny


  • Alatsinainy 30 Jolay 2012

Hafaliana tsy omby tratra ny tany Toliara naheno fa tonga tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Rtoa Lalao Ravalomanana tamin’ny zoma teo, hoy ny filohan’ny Tokobe Telo am-perinasa, Tambabelo Mandaso dit Marin, tafaresaka an-telefaonina tamin’ny Tia Tanindrazana.

 Eritreritry ny vahoakan’i Toliara ao anatin’ny fikambanan’ny Tokobe Telo izay fitakiana ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana izay nanomboka ny 24 aprily 2009 mandraka androany. Betsaka, hoy izy, ireo mpikambana ao anatin’ny fikambanana Tokobe Telo sy ny ankolafy Ravalomanana no niditra am-ponja in-droa nifanesy (2010-2011) noho ny fitakiana ny fiverenan’ny prezidà Marc Ravalomanana ka rariny sy hitsiny raha mitotorebika sy mifaly havanja ny vahoaka teto Toliara tamin’ny fandresena fa nigadona an-tanindrazana Rtoa Lalao Ravalomanana mitondra ny anaran’ny filoha vadiny izay nimatimatesanay.

Akory kosa ny hatairanay feno alahelo raha naheno indray fa nalefan’ny FAT any Bangkok fotoana fohy taorian’ny nahatongavany tao Antananarivo izy sy ny vinantony. Ny asa nataon’ny filoha Marc Ravalomanana ho an’ny vahoakan’i Toliara dia tsy azo kosehina ao am-ponay, hoy Atoa Tambabelo Mandaso. Ny fanampiana nataon’ny filoha Ravalomanana ny vahoakan’i Toliara dia ho zezika hirobona ao anatinay. Ny fandriampahalemana tamin’ny androny dia ilainay. Melohanay raiamandreny ao amin’ny Tokobe Telo soloiko filohany sy ny filoha lefitra tena eto, Atoa Torimana dit Evaharana ary ny vahoakan’i Toliara, araka izany, ny fihetsika feno habibiana sy fanalambaraka ny vahoaka manerana ny Nosy tamin’ny nandefasana an-dRtoa Lalao Ravalomanana any Bangkok. Malagasy ray, Malagasy reny ary tsy manana heloka amin’ny vahoaka manerana ny Nosy izy ka tsy mendrika ary tsy antonona azy ny ho viravirain’ny tsy mataho-tody.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT