Vonona hiditra ao anatin’ny governemanta misokatra ny antoko politika Tanora Malagasy Miroso na ny TAMAMI na dia mpanohitra aza
. Ny fananganana ny governemantan’ny fampihavanam-pirenena ihany no vahaolana tokana hahafahana mamaha izao olana mianjady eto amin’ny firenena izao ka hahazoan’ny samy Malagasy mifanome tanana sy mifanoro hevitra, hoy i Samihary Floriot. Tsy midika izany fa hisy fandravana governemanta. Amin’ny maha Malagasy tompon’andraikitra dia raisina avy hatrany ny andraikitra hanairana ny mpitondra fanjakana. Tonga nanatitra ny antontan-taratasiny teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsirohitra ity filohan’ny TAMAMI ity sy ny ekipany omaly antoandro . Nambaran’i Samihary Floriot fa vonona ny handray izy hampandrosoana ny firenena. Efa nanatitra ny antontan-taratasy hilatsaka ho filohan’ny mpanohitra eto amintsika ihany koa ity filohan’ny antoko TAMAMI ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.