Mila olona mahitsy sy mazava ny firenentsika, hoy ny antoko “TAnora MAlagasy MIroso”tarihin’ny filoha nasionaliny Atoa Samihary Floriot omaly.
Ny mampalahelo, hoy izy dia tsy izay ny zava-mitranga eto amintsika. Ireo mpanohitra toa an’ny TAMAMI izay tsy fahavalom-pirenena akory dia tsy misy mpihaino raha miteny. Ny fanendrena olona anaty governemanta koa tsy misy fifandanjana ara-paritra fa ny eto afoavon-tany ihany no tena omen’ny filoha vahana nefa rehefa misy fikasana hidina an-dalambe dia ireo avy any amin’ny faritra no tena taomin’ny sasany ary hataony fitaovana. Hijoro ary tsy hanaiky izany intsony ny TAMAMI raha araka ny fanazavany omaly, indrindra fa ity farany. Miantso an’ireo avy any amin’ny faritra rehetra ny tenany mba tsy horebirebena intsony fa samy hitsinjo ny hoavin’ny firenena. Mikasika ny krizy politika miseho eto amintsika dia nomarihin’Atoa Samihary Floriot fa tsy afa-miala amin’izany ny praiminisitra Ntsay Christian na ho aiza na ho aiza. Efa praiminisitra tamin’ny andron’ny filoha teo aloha ary mbola mijanona ho praiminisitra ankehitriny saingy tsy mbola mahavita ny asa nampanirahana azy ihany. Anisan’ny nohamafisin’ny filoha nasionalin’ny TAMAMI ny tsy fahavitany ny didy fampiharana ny lalàna 2011-003 izay sata mifehy ny mpanohitra. Tsy mahagaga raha misy ny krizy politika satria tsy misy mpihaino ny mpanohitra.
Pati sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.