Nitsahatra tamin’ny iraka nampanaovina azy teto Madagasikara ny tale jeneralin’ny rafitra amerikanina USAID, Michelle Godette.
Tonga nanao fitsidihana fanaovam-beloma ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana, teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo ny tenany omaly, notronin’ny masoivoho Amerikanina miasa eto amintsika, Robert Yamate. Notsiahivin’ny roa tonta fohy ny asa vitan’ny Usaid teto amintsika izay niompana tamin’ny lafiny fahasalamam-bahoaka, ny fambolena, ny tontolo iainana, ny famatsiana ara-tsakafo, ny fitantanana sy fisorohana loza ary ny fampandehanana an-tsakany sy an-davany ny dingana arahana amin’ny fanatontosana fifidianana. Nanambara kosa ny masoivoho Amerikanina fa vonona amin’ny fanampiana antsika amin’ny famaranana ny ady amin’ny pesta.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.