Aza mikitikitika ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny filoha raha tsy te hahita raharaha ! Izay indray izao no resaka mandeha taorian’iny raharaha fanodinkodinam-bola tany amin’ireo Kaominina, toy ny tao Ambohimahamasina Distrika Ambalavao,
izay nahavoarohirohy Ben’ny tanàna miisa roa, tale iray eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany ary mpandraharaha vitsivitsy, ka anisan’ny olona akaiky ny filohan’ny Repoblika ny iray. In-droa nandefasan’ny Bianco taratasy fiantsoana moa ity farany, mba hatao famotorana fa tsy nipoitra. Ireo Ben’ny tanàna roa sy ilay tale, efa nahavitana famotorana indray koa nahazo fahafahana vonjimaika, rehefa natolotra ny fampanoavana eo anivon’ny Chaine Pénale Anti-Corruption etsy amin’ny 67ha ny alarobia 30 novambra teo. Tamin’ny fotoana nitazomana azy ireo teny amin’ny biraon’ny Bianco Ambohibao dia efa nandeha ny teritery sy tsindry ataon’ny olon’ny HVM, antoko eo amin’ny fitondrana. Mivoaka ny resaka taorian’iny raharaha nitana ny sain’ny mpanara-baovao teto Madagasikara tamin’ity herinandro ity fa “tsy namana” intsony ny Tale jeneralin’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly na Bianco, Andriamifidy Jean Louis. Havana akaikin’ny Mpandrindra nasionalin’ny vondrona politika MAPAR (Miaraka amin’i Prezida Andry Rajoelina), Razanamahasoa Christine ihany koa izy ka izay no voalaza fa antony mampiahiahy ireo tandapa aminy, sao fitaovana hamongampongatra ireo dosie kolikoly, manomboka mafanafana ka mitsikafona an-gazety sy amin’ny tambajotra sosialy ary voizin’ny fiarahamonim-pirenena. Tonga hatrany amin’ny mety hanoloana azy ny resaka ankehitriny, ka mety haverina amin’ny manamboninahitra zandary indray, toy ny efa nitantanan’ny Jeneraly Ramarozatovo René sy Jeneraly Rabetrano Faly azy, fa ireny no mandray baiko (?). Tamin’ny jona 2014 Atoa Andriamifidy Jean Louis no voatendry ka nandray toerana maha Tale jeneralin’ny Bianco azy. Mpitsara ambony izy, ary Tale tao amin'ny Sekolim-pirenena fanofanana Mpitsara (ENMG) etsy Tsaralalana no andraikitra nosahaniny nialoha ny mindrana azy eny amin’ny “Villa la piscine” Ambohibao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.